• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Vaovao

Faritra Antsinanana : Mamokatra zezika 4 500 taonina isan-taona ny ozinina mpamokatra zezika

03/09/2024 16:25 © Moov

Anisan’ireo faritra 6 nananganana orinasa mpamokatra zezika ny Faritra Antsinanana. Mamokatra zezika organika 4 000 taonina isan-taona sy zezika NPK 500 taonina ireo ozinina miisa 4 ao. Fiaraha-miasan’ireo ozinina amin’ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ho an’ny tantsaha ny asa ataon’izy ireo amin’izany.

Fanatsarana ny vokatra

Mifandray indrindra amin’ny tanjon’ny Filoham-pirenena izay hanatsara ny vokatry ny tantsaha no anton’ity ozinina ity. Anisan’ny akora fototra amin’ny fampitomboana sy ny fanatsarana ny vokatra mantsy ny fampiasana ny zezika. Izany indrindra no nandraisana ho laharam-pahamehana ny fametrahana ireo ozinina ireo. Raha ho an’ny faritra Atsinanana manokana dia orinasa tsy miankina miisa efatra no miara-miasa amin’ny Ministera ao anatin’izany. Ny IRM, Biozen Agri izay mamokatra 2 400T isan-taona amin’ny zezika organika ; ETG izay mamokatra 3.340 T isan-taona amin’ny zezika NPK ; Iazafo izay mamokatra zezika biolojika 500T isan-taona ary BSF izay mamokatra 500T isan-taona. Tanjon’izany fiaraha-miasa izany ny hanamorana ny fisitrahana zezika amin’ny fampanarahana ny vidiny amin’ny fahefan'ireo tantsaha. Ho haparitaka manerana ny Nosy ihany koa izany mba hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Faritra dimy hafa

Efa nametraka fiaraha-miasa amin’ny ozinina mpamokatra zezika tamin’ny Faritra 5 hafa ihany koa ny Ministera, ankoatra ireto orinasa efa miasa ao amin’ny Faritra Atsinanana ireto. Tafiditra ao anatin’izany i Analamanga, Amoron’ny Mania, Alaotra Mangoro, Sofia ary Boeny. Etsy andaniny dia efa miroso ny fifampiresahana sy ny fidinana ifotony ho ataon’Andriamatoa Ministre, Sergio Francois Hajarison, ho fanaraha-maso ny fampiharana ny fifanarahana. Hojerena ao anatin’izany ihany koa ny fivoaran'ny asa eo amin'ny fanarenana ireo fotodrafitrasa natolotra ho an’ireo orinasa mpamokatra zezika. Ireto zezika ireto ihany no ho ampiasain’ny tantsaha malagasy. Ny fahavitan-tena ara-pamokarana sy ara-tsakafo no tanjona amin’izany rehetra izany. Anisan’ny hanampy amin’ny fampidinana ny vidin-jezika ihany koa izany.

Lire la suite

Articles Similaires