• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mae
Image
Vaovao

Asam-panjakana : Miisa roa hetsy ny mpiasam-panjakana ara-adalana efa voaisa

03/09/2024 14:36 © Moov

Miisa hatramin’ny roa hetsy (200 000) amin’izao fotoana izao ireo mpiasam-panjakana ara-dalana efa voaisa hoy ny tatitry ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan'asa ary ny Asampanjakana (MTEFOP). Tafiditra ao anatin’ny asa ataon’ity Ministera ity ho fanatsarana ny asam-panjakana sy fanadiovana ny lisitra izany. Mbola mitohy ny fanadiovana sy ny fanavaozana izay atao amin’izao fotoana izao raha ny tatitra hatrany.

Fitantanana ara-drariny

Tanjon’ity asa hataon’ny Ministera ity ny hananana fitantanana ara-drariny eny anivon’ny Ministera sy ireo andrim-panjakana isan-tsokajiny. Amin’ireo 200 000 voaisa ireo dia efa maro ireo samy nahazo ny toerany teo aloha saingy tao ihany koa ireo nafindra toerana. Tanjona amin’izany mba hahafahan’izy ireo mamoaka ny fahaizany sy ny traikefa tena hanany. Hahafahana mahazo vokatra tsara eny anivon’ny asam-panjakana ihany koa izany. « Marihina fa volam-bahoaka no handoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana ka manana adidy hanatsara ny fitantanana ireo mpiasam-panjakana ireo. Mba ho tena fanoitry ny fampandrosona ny firenena malagasy ny mpiasam-panjakana », hoy ny Sekretera Jeneraly momba ny asam-panjakana, Ramaroson Heridja. Dingana lehibe tsy maintsy lalovana araka izany ity asa hatao ity.

Mbola maro ny filàna mpiasam-panjakana

Ankotra ireo mpiasam-panjaana miisa 200 000 ara-dalàna ireo dia ao ihany koa ireo asa hafa mila teknisianina na manam-pahaizana manokana mbola banga. Nanazava ny avy ao amin’ny MTEFOP fa mbola maro ny filàna araka ny asam-panjakana. Araka izany, efa misy ny lamina napetraka hahafahana mampitombo ny traikefan’ireo mpiasam-panjakana ireo. Hojerena araka ny fahaiza-manaony ihany koa izy ireo dia hapetraka araka izay eny amin’ny Ministera sy ireo andrim-panjakana. « Efa nomanina ny « reconversion professionnelle » ho an’ireo mpiasam-panjakana na fampiofanana arak’asa azy ireo izay mifanaraka amin’ny traikefany sy ny mari-pahaizany. Izy ireo ihany araka izany atreto aloha no hameno ny banga », hoy hatrany ny fanazavana. Aorian’izany dia hapetraka amin’ny toerana tokony hisy azy araka ny fahaizany sy ny diplaomany manaraka ny fandaminana sy ny votoatin’ny asa iray izy ireo. Tsara ny mampatsiahy fa natao hanompo ny vahoaka ny mpiasam-panjakana ary hamaly ny hetahetan’ny rehetra araka ny filàny avy. Izany no azo handraisana ho zavadehibe io fampiofanana arak’asa io.

Lire la suite

Articles Similaires