• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msis
Image
Vaovao

Fanabeazana ho Olompirenena Vanona : Amafisina ny fahalalan’ireo mpampianatra eny amin’ny CEG

03/09/2024 13:09 © Moov.Mg

Mazàna no lazaina fa tsy ampy fahalalam-pomba intsony ny ankizy ankehitriny, tsy mahalala ny tokony ataony, tsy ampy fandraisan’andraikitra, tsy manana fitiavan-tanindrazana… Manoloana izany dia novolavolaina ny taranja Fanabeazana ho Olompirenena Vanona (FOV), ho an’ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga faharoa.

Mampita soatoavina

Omaly 2 septambra 2024 no nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny atrikasa fanofanana ho fanamafisana fahaiza-manaon’ireo mpampianatra, mikasika ny fomba sy ny fitaovana enti-mampita ny soatoavina maha-olompirenena vanona eny anivon’ny ambaratonga faharoa (CEG). Mpampianatra FOV miisa 644 no voakasik’izany tao Manjakandriana, Toamasina, Fenoarivo Atsinanana, Morondava, Sambava ary Antalaha. Raha tsiahivina dia ny FOV no taranja vaovao nasolo ny « Education Civique » taloha. Isan’ny voaresaka ao anatin’ny taranja ny momba ny fanajana ny maha-olona sy ny fiarahamonina, ny fanajana ny zo aman'andraikitra amin'ny maha olom-pirenena, ny fitiavan-tanindrazana ary ny fanabeazana ara-tsosialy sy ara-bola.

Fampandraisana andraikitra

Fanovam-pihetsika amam-panao sy fampandraisana andraikitra ny mpianatra no tanjona amin’ny FOV, mba hialana amin’ireo fomba fiheverana ankehitriny fa sady tsy mahalala fomba no tsy mahalala ny tokony ataony intsony ny ankizy. Tompon'andraikitra voalohany amin’ny fampiroboroboana ity taranja ity ny ministeran'ny Fanabeazam-pirenena. Ny MSIS Tatao kosa, amin’ny alalan’ny fandaharanasa RINDRA, izay fiaraha-miasan’ny vahoaka Amerikanina amin’ny alalan’ny sampandraharaha Amerikana ho an’ny fampandrosoana (USAID), no mitondra tantsoroka ara-tekinika sy ara-pitaovana. Haharitra hatramin’ny sabotsy 7 septambra izao ny fanofanana ireo mpampianatra. Ireto farany indray no hampita izay norantoviny amin’ireo mpianatra, ka hahatonga azy ireo ho olompirenena vanona.

Lire la suite

Articles Similaires