• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ict.Io
Image
Vaovao

Fampianarana ankapobeny : Handraisana fepetra ireo Ray aman-dReny efa nandoa vola talohan’ny fepetra avy amin’ny MEN

03/09/2024 12:47 © Moov

Efa mampihatra ny fepetra napetraky ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena ireo Sekolim-panjakana eto Antananarivo. Efa ela anefa no nanomboka ny fisoratana anarana teny amin’ny sekoly ka misy ireo nandoa vola tao anatin’izany. Raha ny fepetra vaovao dia tsy mandoa vola afatsy ho an’ireo mpampianatra FRAM tsy mahazo fanampiana avy amin’ny Fanjakana ny Ray aman-dReny. Araka izany, handray ny fepetra mifandraika amin’izany ny Fari-piadidiam-pampianarana eto Antananarivo Renivohitra mba hanajana ireo fepetra napetraka.

Miandry fivoriana

Efa maro ireo Ray aman-dReny no nahavita ny fisoratana anarana ny zanany talohan’iny fanambaran’ny Minisitra iny. Tao anatin’izany dia mbola nisy ireo vola maromaro nampandoavina azy ireo ka tsy maintsy handraisana fepetra. « Tsy maintsy mbola misy ny fivoriana amin’ireo Talen-tsekolin’ny EPP, CEG ary ny Proviseur ny Lycée amin’ny fepetra ho raisina amin’ireo Ray aman-dReny efa nandoa vola ireo », hoy ny Filohan’ny Fari-piadidiam-pampianarana eto Antananarivo Renivohitra (CISCO), Lalaina Ramananantony. Miezaka manampy ireo fianakaviana tena sahirana ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Araka izany, anjaran’ny Sekoly tsirairay no manatanteraka ny fepetra fa tsy mandray izany ho mbola azo iadiana hevitra indray.

Mitohy ny fisoratana anarana

Raha ho an’ny CISCO Antananarivo Renivohitra manokana dia efa ela no nanomboka ny fisoratana anarana. Efa any amin’ny fidiran’ny mpianatra indray ny sain’ny rehetra amin’izao fotoana izay hanomboka ny alatsinainy 9 septambra izao. Etsy andaniny anefa, taorian’iny fanambarana iny dia tsy maintsy mitohy ny fandraisana mpianatra. « Tanjona amin’ity taom-pianarana ity ny hampiditra mianatra ireo zaza rehetra afaka hianatra. Miandry ny lisitra avy any amin’ny fokontany araka izany ny fandraisana ireo tena sahirana ireo », hoy hatrany ity Tompon’andraikitra ity. Mbola manam-potoana hanatona any Fokontany ny Ray aman-dReny hisoratra anarana araka izany. Amin’ny ankapobeny anefa dia miankina amin’ny fahafaha-mandrain’ny sekoly tsirairay no hahafahana mandray ireo mpianatra ireo na tsia. Tanjon’ny Fitondram-panjakana kosa anefa ny hampianatra ireo zaza Malagasy rehetra tokony mbola hisitraka izany amin’ity taom-pianarana 2024-2025 ity.

Lire la suite

Articles Similaires