• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Goverinoran'Ny Faritra Atsimo Atsinanana
Image
Vaovao

Farafangana : Zaza miisa 652 hozaraina kopia maimaimpoana

03/09/2024 10:32 © Moov

Mitohy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana indray amin’izao fotoana izao ny fizarana kopia faobe amin’ny alalan’ny « jugement supplétif ». Nanomboka omaly alatsinainy 2 septambra ny tao Farafangana ary zaza latsaky ny 18 taona miisa 652 no hanombohana ny fizarana.

Hamoraina ny fahazoana kopia

Tsy any Farafangana irery fa saika manerana ny Nosy dia mbola maro ireo ankizy tsy manana kopia. Amin’ny ankapobeny anefa dia tokony vao teraka ny zaza dia manana izany. Raha ho an’ny Farafangana manokana dia tena mbola betsaka ny zaza tsy misitraka izany. Araka izany, nohamoraina ny fahazoana kopia amin’ny alalan’ny hetsika toy izao. Zaza avy amin’ny kaominina miisa 8 ao Farafangana aloha no nanombohana ity hetsika ity raha hotohizana amin’ireo toerana sasany izany. « Zava# dehibe tokoa ny fananan' ny zaza ny kopia nahaterahana. Efa ao anatin’ny fampidirana mpianatra rahateo amin’izao ka anisan’ny ilaina izany, ankoatra ireo zavatra maro be ilaina ny kopia », hoy ny nambaran' i Solombavam-bahoakan'ny Madagasikara voafidy tato anatin' ny Distrikan' i Farafangana Raby Savatsarah Ain'Harimanga na i Député Mamatsara. Tsara ny manamarika fa zon’ny ankizy ny hanana kopia ary adidin’ny Ray aman-dReny ny mikarakaraka izany dieny izy vao teraka.

Afaka hifandrimbonana

Tsy mandany fotoana ela akory ny fanamboarana kopia eny anivon’ny Boriborintany na kaominina. Nanentana ireo Ray aman-dReny araka izany ny Préfet an' ny Farafangana Andriamatoa Herman Reminantenaina mba handraisana andraikitra amin’izany adidy izany. « Lazaina fa very zo ny olona tsy manana kopia izay fanambaram-piterahan' ilay zaza, tsy voatery isika Reny vao teraka no handeha hidodododo hanao izany kopia izany fa adidintsika Ray ihany koa ny mifarimbona manamboatra izany », hoy hatrany ny Préfet an' ny Farafangana.
Marihina ihany koa fa ankoatra ireo ankizy latsaky ny 18 taona ireo dia mbola tena maro ireo olon-dehibe no tsy manana kopia nahaterahana. Araka izany, dia hotanterahina ihany koa ny fanomezana kopia faobe ny olona efa mihoatra ny 18 taona.

Lire la suite

Articles Similaires