• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Famatsiana herinaratra : Miverina ny olana, nanolotra drafitra fanarenana ny mpitantanana ny Jirama

03/09/2024 09:15 © Moov

Fahatapahan-jiro matetika sy maharitra. Tsy miova fa ny teo aloha ihany no miverina amin’izao fotoana izao. Mimenimenina ny mpanjifa ny orinasa Jirama noho ny olana aterak’izany. Niverina indray manko ny fahatapahana omaly. Manana drafitra fanarenana ny orinasa ny Tale Jeneraly vaovao ary miandry ny fitondrana izany eo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra.

Vanim-potoan’ny hain-tany

Nanazava ny anton’ny fahatapahan-jiro izay nampimenimenina ny mpanjifa omaly hariva anefa ny orinasa jirama. Voalaza tao anatin’izany fa ny vanim-potoan’ny hain-tany no mampihena ny rano amin’izao fotoana izao io. Ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin'ny rano ao Andekaleka anefa no tena fototry ny famokarana herinaratra eto Antananarivo. Io famokarana io dia miankina amin'ny haavon'ny rano, hoy hatrany ny fanazavana. Noho izay fihenan’ny rano izay dia tsy ampy ny famokarana herinaratra ho an’Antananarivo. Araka izany, voatery manapaka ny herinaratry ny Mpanjifa ny orinasa Jirama mba hampifanaraka ny famokarana misy. « Ho atao ny ezaka rehetra hamerana ny fotoana araka izay azo atao », hoy ny fampanantenan’ny orinasa Jirama tao anatin’ny pejiny.

Drafitra fanarenana

Manoloana izany olana mianjady amin’ny mpanjifa izany dia nanolotra ny drafitra fanarenana ny orinasa ny Tale Jeneralin’ny Jirama, Ron Weiss. Nihaona tamin’ny delegasiona notarihin’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy ny herinandro lasa teo namelabelatra izany. « Izao no marika fa himasoana ny fitadiavana vahaolana eo amin’ny famokarana, sy ny fitaterana ary ny fitsinjarana herinaratra eto Madagasikara », hoy ny avy ao amin’ny Ministera. Teboka lehibe efatra no lahadinika, dia ny fanatsarana ny rafi-pitantanana na « Plan de redressement du système », ny lafiny ara-bola na « Plan de redressement financier », ny ara-teknika na « Plan de redressement technique » ary ny fanatsarana ny tolotra na ny « Qualité de service ». Tanjona ny hanome fahafaham-po ireo mpanjifa, sy ny hampitoboana ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra eto Madagasikara. Aorian’izany dia tsy maintsy mbola entina eo anatrehan’ny Filan-kevitry ny Minisitra ity drafitra ity.

Lire la suite

Articles Similaires