• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Hakuna Matata
Image
Vaovao

Fitaterana an-dranomasina : Sambo iray rendrika ao Taolagnaro, olona 22 mbola tsy tafavoaka

02/09/2024 16:37 © Moov

Sambo iray avy any Toamasina no rendrika teo ho eo amin’ny 1 km avaratry ny Seranantsambon’ny Taolagnaro. Nanomboka tamin’ny roa ora maraina no nitrangan’ny loza ary mbola maro ireo olona tavela ao anatiny raha nisy iray ahiana ho namoy ny ainy rehefa tsy hita popoka hatramin’izao.

Olana ara-teknika no heverina ho nahatonga io sambo antsoina hoe MS Iharana rendrika io, raha ny fanazavana avy any an-toerana momba ny tranga. Raha ny fanamarihana hatrany dia natosiky ny onja fotsiny sisa no nahafahan’izy ireo tafavoaka eo amin’io toerana io ary izao milentika eo an-toerana eo izao. Olona miisa 10 no efa tafavoaka, izay raha ny fanazavana dia mpanamory avokoa izy ireo. Efa nahazo fitsaboana kosa anefa ireo 10 ireo raha ny fanazavana avy any an-toerana hatrany. Mbola misy olona miisa 22 araka izany ao anatiny. Efa mandeha ny ezaka rehetra amin’izao fotoana izao hamonjena ireo tavela ao anatiny rehetra.

Sarotra ny famonjena

Efa teny antoerana nitrangan'ny loza avokoa moa ireo tompon'andraikim-panjakana ao Taolagnaro hatramin’ny maraina. Ao anatin’izany ny Faritra Anosy, APMF, ireo miaramila an-dranomasina, ny mpamonjy voina, ny Direction Régionale de la Sécurité Maritime ary ny avy ao amin’ny QMM. Miara-miasa hamonjy ireo traboina ireo. Nohon'ny faharatsian'ny andro anefa dia sarotra ny fanavotana ireo olona. Mampiasa Drône ireo mpamonjy voina sy ireo tompon'andraikitra amin'ny fandefasana tady ho an'ireo olona mbola tavela ao amin'ny Sambo. Raha ny fanampim-baovao hatrany dia mbola tsy nisy nahomby atreto ny ezaka hanavotana ireo olona ireo. Manao ny asany tsy an-kijanona anefa ireo mpiasam-panjakana sy ireo sehatra tsy miankina ireo hanavotana azy ireto.

Lire la suite

Articles Similaires