• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Min De La Justice
Image
Vaovao

Holafitry ny vadintany sy mpanao lavanty : Mangataka lalàna miaro azy ireo amin’ny asany

02/09/2024 16:36 © Moov

Nanatanteraka fihaonambe ny herinandro lasa teo ny Holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty eo anivon’ny Fitsarana. Nanamarika ny fihaonana ny fifidianana ny Filoha vaovao. Anisan’ny noresahina ihany koa anefa ny momba ny fiarovana azy ireo eny am-panatanterahana ny asany eny.

Lalàna mipetraka

Anisan’ny resa-be nandritra io fihaonana io ny momba ny fiarovana ireto vadintany sy mpanao lavanty ireto. Tsara ny manamarika fa matetika dia misy hatrany ireo korontana eny anivon’ny fiaraha-monina rehefa manatanteraka ny didim-pitsarana izy ireo. Ao ireo tsy manaiky sy ireo mety hikasi-tanana mihitsy aza, indrindra amin’ny fotoana hamoahana entan’olona iray ao anaty trano. « Tokony misy lalàna tena mipetraka mba hiaro anay amin’ny olana rehetra mety hiseho eo am-panatanterahana ny asanay. Miverimberina matetika loatra ireny ka manahy ihany izahay. Asa efa natao io ary tsy maintsy mbola ho tohizako », hoy ny Filohan’ny Holafitra vaovao, Rarivoarivony Andriantafaina. Raha ny fanazavana hatrany dia tokony sata mipetraka mazava tsara io fiarovana azy ireo io fa tsy zavatra tenenina fotsiny. Nanamarika hatrany ireto vadintany ireto fa io lalàna io irery no tena zava-dehibe hangatahin’izy ireo amin’izao fotoana izao aloha. Hatramin’izay ka hatramin’izao rahateo dia mbola manaja ny teny filamatra izay hiainany hatrany izy ireo « Vadintany sy mpanao lavanty miray hina, miaro ny vahoaka sy ny tombontsoan’ny holafitra ». Mbola mizotra mankany amin’izany hatrany ny asa ary raha tsiahivina dia efa ela ity fangatahana lalàna ity. Tsy hijanona raha tsy mivoaka izany.

Andraikitra goavana

Adidy sy andraikitra goavana no ankinina amin’ireto mpiasam-panjakana ireto eo anivon’ny fitsarana. Nanatrika ity fihaonam-be ity ny Minisitry ny fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis. Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nambarany fa akaiky azy ny Vadintany sy Mpanao lavanty hatrizay ary manana toerana lehibe izy ireo eto amin'ny firenena. Ilaina fiaraha-miasa izany, hoy hatrany ny tenany satria tsy vitan’ny Ministera irery ny asam-pitsarana. « Ilaina ny fiaraha-miasa ho fanatsarana ny asam-pitsarana ary hamerenana ny fahatokisan'ny vahoaka ny Fitsarana. Mitaky fahamarinana sy fahitsiana ihany koa ny asa ary antenaina fa hiray saina amin'ny ady amin'ny kolikoly ianareo », hoy hatrany ny Minisitra. Fotoana iray natao hanatsarana ny fomba fiasan’ireto vadintany sy mpanao lavanty ireto ihany koa io fihaonam-be tao amin’ny Radisson Blu io.

Lire la suite

Articles Similaires