• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmvb
Image
Vaovao

VOLLEY U20 : MVBC Boeny sy Asi Analamanga no nibata ny amboara

02/09/2024 15:45 © Moov

Samy naneho ny tanjany teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka an’i Madagasikara, volley ball indray ireo ekipa nifanintsana teo amin’ny sokajy latsaky ny 20 taona.

Mifandanja tsara ny tanjak’ireo mpilalao

Nifarana omaly alahady 1 septambra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja volleyball latsaky ny 20 taona, sokajy lahy sy vavy. Notontosaina tao amin’ny kianja Fihaonana Antsirabe izany, ny 25 agositra hatramin’ny 1 septambra. Nibata ny amboara nandritra izany ny ekipan’ny MVBC Boeny, teo amin’ny sokajy vehivavy, sy ny ekipan’ny Asi Analamanga, teo amin’ny sokajy lehilahy. Nifanandrina teo amin’ny lalao famaranana ny GNVB sy ny MVBC. Tamin’ny seta 3 no ho 2 no nivoahan’izy ireo ho mpandresy, nandritra ny lalao. Tonga sahala 2 no ho 2 ny lalao, ka tsy maintsy niditra tao anatin’ny « tie break ». Hita ho nitovy sy nifandanja tsara ny tanjaka teo amin’ireo ekipa roa nifandona. Tsy nifanalavitra ny isa teo amin’ny fiadiana ireo seta, raha toa ka 22/25, 25/23, 22/25, 25/10 ary nifarana tamin’ny 15/11. Tafiditra ho laharana fahatelo kosa ny Asi Analamanga, rehefa avy nifanandrina tamin’ny Steff’Auto Atsinanana tamin’ny seta 3 no ho 0. Teo amin’ny sokajy lehilahy, nivoaka ho mpandresy nanoloana ny ekipan’ny GNVB ny ekipan’ny Asi Analamanga. Lavo tamin’ny seta 3 no ho 0 ihany koa ry zareo zandary teto. Ny MVBC Matsiatra Ambony kosa no nahazo ny laharana fahatelo rehefa avy nandavo an’i CVBF Atsimo Atsinanana tamin’ny seta 3 no ho 0.

Manomboka mametraka ireo klioba hafa

Hita ho niakatra ireo klioba hafa tao anatin’ity fifaninanana fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja volleyball latsaky ny 20 taona, sokajy lahy sy vavy ity. Raha saika nanjakan’ny klioban-dry zareo zandary ny taranja volley hatramin’izay, dia manomboka mametraka sy miakatra kosa ankehitriny ireo klioba hafa. « Mihatsara ny lentan’ireo mpilalao volley eto amintsika, raha nanjaka tokana hatrizay ry zareo GNVB. Efa tsara kosa ny mahita ireo klioba mametraka sy mahazo ny amboara amin’izao », raha ny fanehoan-kevitry ny tale teknika nasiônalin’ny federasiôna nasiônalin’ny taranja volleyball.

Lire la suite

Articles Similaires