• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Riva
Image
Vaovao

Sombintantara : Hivoaka tsy ho ela ny « Antaranoana Tokana », nosoratan’i Riva

02/09/2024 13:31 © Moov.Mg

Hivoaka amin’ny alakamisy 5 septambra 2024 ny boky mitondra ny lohateny hoe : « Antaranoana Tokana », nosoratan’i Riva Ando Andriamalala, ho tsangambaton’ny faha-25 taona niraisany petsapetsa tamin'ny literatiora.

Nasiam-panatsarana

Boky amboaran-tsombintantara ny « antaranoana Tokana ». Sombintantara miisa 11 no ho hita ao anatiny, izay manambatra ireo amboara telo teo aloha, dia ny « Antaranoana » 1, 2 sy 3. Misy ampahany tsy ho tafiditra ihany anefa, dia ireo sombintantara natokana ho an'ny ankizy, fa mikasa ny hamoaka izany any anaty boky hafa i Riva. Tsy tafiditra ao anatin’ity boky vao hivoaka ity ihany koa ireo sangan’asa sokajian’ny mpanoratra ho « sombintantara tselatra », izany hoe : tsy mihoatra ny teny miisa 2.500 ny nanoratana azy. Tsy niova ny votoatin'ireo tantara haverina havoaka ireo, fa « nasiam-panatsarana kosa ny fomba fitantara amin'ny maha zava-kanto vita amin'ny teny azy », hoy i Riva. Misy pejy 256 isa moa ny « Antaranoana Tokana ».

Boky faha-9

Antony roa no nambaran’i Riva fa nahatonga azy hamoaka ity amboaran-tsombintantara ity. Voalohany, ho fanamarihana ny faha 25 niraisany petsapetsa tamin'ny literatiora. Raha tsiahivina tokoa dia ny taona 1999 i Riva Ando Andriamalala, na i Riva, no nanomboka nanoratra. Zanak’i Bongolava izy, poeta sy mpanoratra mpiraifaribolana Sandratra. Antony faharoa, ho fahatsiarovany manokana rainy sy i Arifitia zanany, izay nodimandry, roa taona lasa izay. « Amin'ny maha mpanoratra ahy, heveriko fa fanehoam-pitiavana lehibe ho azy mianaka ny fametrahana tsangam-bato ho fahatsiarovana azy ireo. Nifanome toky tamin'ny tenako aho fa tsy maintsy hisy izany », hoy ny fanazavan’i Riva. Ankoatra izay moa dia sady fanabeazam-boho ny Teny Malagasy ihany koa ny boky amin'ny teny malagasy sy sombintantara malagasy tahaka izao. Boky faha-9 amin’ireo navoakan’i Riva ny « Antaranoana Tokana », fa boky sombintantara faha-4 kosa.

Lire la suite

Articles Similaires