• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Faritra Vakinankaratra Ofisialy
Image
Vaovao

Faritra Vakinankaratra : Ho vitaina avokoa ireo kianja manara-penitra rehetra

02/09/2024 12:30 © Moov

Manatanteraka ny baikon’ny Filoham-pirenena ny Tompon’andraikitra avy ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Nisy araka izany ny fijerena ifotony ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena hahafahana manao ny tombana ho famitana tanteraka ny asa. Niaraka tao anatin’izany ny Ministra ny tanora sy ny fanatanjahantena Abdulah Marson Moustapha, niaraka tamin’ny Governoran’ny Faritra Vakinakaratra ary ny Ben’ny Tanàna an’Antsirabe.

Tohizana ny asa

Tsiahivina fa efa nampiasaina avokoa ny ankamaroan’ireo kianja ireo. Mbola misy anefa ny asa tsy vita ka izany no nandraisana ny fepetra amin’ny fanohizana ny asa. Ho vitaina ao anatin’ny fotoana fohy hahafahan’ny vahoaka misitraka izany ny asa, raha ny tatitry ny avy ao amin’ny Faritra Vakinankaratra. Voakasika ity fanamboarana ity ny kianja mitafo Vatofotsy, ny kianja manarapenitra Vélodrome sy ireo kianja manarapenitra any amin’ny Distrika Betafo sy Distrika Ambatolampy. Ny 97% ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa ireo dia efa vita tanteraka, fanatsarana sy fanitsiana ireo pitsopitsony sisa no andrasana. Hitondra fivoarana ho an’ny tanàna tsirairay ary indrindra ho an’ny tanora ity asa fanamboarana ity. Misokatra hatrany ihany kosa anefa ireo kianja ireo mandritra ny fanamboarana rehetra.

Fotodrafitrasa hafa

Ankoatra ireo fotodrafitrasam-panatanjahantena ireo dia tsy ny tanora irery ihany no mangataka tombontsoa tahaka izao raha ao Vakinankaratra. Anisan’ny angatahin’ireo mponina any an-toerana ny fanarenana ireo lalana rehetra eo andrenivohitry ny Faritra Vakinankaratra. Anisan’izany ohatra ny eny amin’iny Avaratry ny tsena Asabotsy iny, ny eny Ampahatra sy ireo maro hafa. Ankoatra izany dia mangataka fandaminana sy fanamboarana vaovao ao anatin’ny Tsena manamarika io faritra io ihany koa ireo mpampiasa azy sy ireo mponina any an-toerana. Araka izany, ilaina ny fiaraha-miasan’ireo Tompon’andraikitra rehetra ireo mba hahafahana mandray andraikitra amin’ireo olan’ny mponina ireo. Hampitomboana ny fanadaminana sy ny fanadiovana ny tanàna ihany koa izany ezaka izany.

Lire la suite

Articles Similaires