• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Oms
Image
Vaovao

Fahasalamana : Hiverina ny volana oktobra izao ny fanaovam-bakisiny faobe miaro amin’ny kitrotro

02/09/2024 11:10 © Moov

Hirosoana indray ny fanaovam-bakisiny faobe miaro amin’ny kitrotro. Hotanterahina amin’ny volana oktobra izany ary ireo zaza 9 volana hatramin’ny 5 taona tsy maintsy mandalo izany avokoa. Marihina fa nanatanteraka fiofanana momba ity hetsika ity sy ny fanaovam-bakisiny rehetra ny mpanao gazety avy amin’ny faritra maro ny herinandro lasa teo tao Fianarantsoa.

Ny 95% ny zaza latsaky ny 05 taona

Tanjona amin’ity hetsika miverina ity indray ny hanaovana vakisiny ny 95% ny zaza rehetra 9 volana hatramin’ny 5 taona. Marihina fa ity aretina ity dia tena mora mifindra ary mety ho tonga hatramin’ny fahafatesana mihitsy. Kohaka, hevona, sery, mifindra amin’ny alalan’ny pitik’ireo avy amin’ireo marary ity aretina ity. Izany indrindra no handraisan’ny Fanjakana andraikitra sy hanaovana izany ho zava-dehibe mba hahafahana manavotra ain’olona maro. Etsy andaniny, ny vaksiny irery ihany no hahafahana miaro voalohany indrindra ny aretina ary afaka manampy amin’ny fiarovana ny hafa. « Tombotsoa ho an'ny ankizy ny fanaovam-bakisiny ho fanamafisana ny hery fiarovana », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tsara ny manamarika fa amin’io volana oktobra io ihany koa ny andiany fahatelo amin’ny hetsika vaksiny faobe hiadiana amin’ny lefa-kozatra amin’ity taona ity.

Entanina ireo Ray aman-dReny

Mbola maro ireo zaza tratran’ny aretina kitrotro kanefa tsy vita vaksiny. Efa ampy anefa ny fahafantaran’ny Ray aman-dReny ity aretina ity. Mila hampitomboina kosa ny faharisihan’izy ireo mba hanao vaksiny ny zanany. Andraikitr’izy ireo reheteo izany ary tokony ho adidy tanterahina. Izany indrindra no ilaina ny mpanao gazety izay nampiofanina mba hanentana sy hitondra ny anjara birikiny amin’ireo fianakaviana. « Lehibe ny adidy iandraiketan’ireo mpanao gazety amin’ny fanomanana ny olona amin’io hetsika io. Eo ihany koa ny fanentanana ireo Ray aman-dReny amin’ny tokony hataony », hoy ny Talem-paritry ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina izay miara-miasa amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Marihina fa hiarahana miasa amin’ny UNICEF ity hetsika ity.

Lire la suite

Articles Similaires