• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Foloalindahy
Image
Vaovao

Anjozorobe : Hametraka paikady hanaovana haza lambo ireo mpaka ankeriny ny Ministeran’ny Foloalindahy

02/09/2024 09:27 © Moov

Nanatanteraka fivoriana maika omaly hariva ireo tompon’andraikitra ny fitandroana ny filaminana ao anatin’ny Governemanta izay notarihin’ny Minisitry ny Foloalindahy. Nandray anjara tamin’izany ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena sy ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka. Tanjona ny hikarohana paikady amin’ny fanatanterahana ny fanenjehana ireo mpaka ankeriny ao Anjozorobe.

Haza lambo

Taorian’ny fisian’ny famonoan’olona feno habibiana nahafatesana takalon’aina miisa dimy tany amin’ny Kaominina Marotsipoy dia nisesy ny fisamborana. Raha tsiahivina dia efa tratra aloha i Ratex amin’izao izay anisan’ireo jiolahy. Etsy andaniny, mitohy ny ezaka rehetra hanaovana haza lambo ireo mpaka ankeriny ireo. Tanjona amin’ity asa ity ny mba hisian’ny fandriam-pahalemana maharitra, izay anisan’ny iraka nampanaovin’ny Filoham-pirenena ireto mpitandro filaminana ireto. « Mitohy ny fandraisana andraikitra na andrenivohitra izany na ambany vohitra. Tafiditra ao anatin’izany ny famongorana ny tambazotran’ireo mpaka ankeriny. Tsy fakana ankeriny tsotra intsony ny filaza izao satria miaro vono olona ka fahavalom-bahoaka. Araka izany dia tsy maintsy hatao haza lambo. Mbola mitohy hatrany moa ny fisamborana hatramin’izao », hoy ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin. Marihina fa sarotra ny fanatanterahana ny asa izay velaran-tany midadasika mirefy 100km no hivezivezen’ireo jiolahy. Avy aty amin’ny renivohitry Anjozorobe izany hatrany amin’ny Kaominina Marotsipoy izay farany alavitra indrindra ho an’ny faritra Analamanga.

Hetsika « Harato 2 »

Efa volana maromaro ihany koa izay no nanombohan’ny opération « harato 2 ». Hetsika iray izay lehibe hitambaran’ireo Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena ary ny Tafika natao hamongorana ny fakana ankeriny sy ny tsy fandriam-pahalemana ao Anjozorobe. « Manao antso avo ho an’ireo mandray anjara amin’ny harato 2 mba hanatanteraka ny asany araka ny fara-heriny ny Minisitra. Eo ihany koa ny fampiasana ireo fitaovana rehetra izay hananana ho famongorana ireto mpaka ankeriny ireto », hoy hatrany ny Minisitry ny Foloalindahy. Raha tsiahivina dia efa nisy ny fampiasana elikôptera hikarohana ireo jiolahy tamin’ny alalan’ity hetsika ity. Efa maro ihany koa ireo jiolahy maty tao anatin’izany rehetra izany. Etsy andaniny anefa dia mbola maro ireo ezaka mila hatao mba tsy handatsahana ain’olona intsony.

Lire la suite

Articles Similaires