• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Wwf
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Hiara-hiasa amin’ny fampiharana ny Dinan’i Menabe ny Kalony sy ny KMD

30/08/2024 16:26 © Moov.Mg

Hiara-hiasa ny Kalony sy ny Komity Mpanantanteraka ny Dina (KMD) any amin’ny Faritra Menabe, mba ho fanatsarana ny fitantanana sy fiarovana ny tontolo iainana. Izany no tapaka nandritra ny atrikasa notanterahina tany amin'ny Distrikan'i Belo Tsiribihina, omaly 29 aogositra 2024.

Asa fampandriam-pahalemana

Tanjon’ity atrikasa ity ny fanatsarana sy fanamafisana ny asan'ireo mpisehatra rehetra amin'ny fampiharana ny Dinan’i Menabe momba ny tontolo iainana, dia ny KMD, ny Kalony, ary ny mpitandro ny filaminana, mba hiarovana ny atiala sy ireo zava-boahary izay tandindomin-doza ankehitriny. Ny Kalony moa dia ireo vatan-dehilahy manao asa fampandriam-pahalemana, mifanohana amin’ny mpitandro ny filaminana. Hiara-hiasa, araka izany, ireo mpisehatra rehetra ireo, amin'ny fanenjehana ireo mpandika lalàna momba ny tontolo iainana. Hahazo fampiofanana sy torolanana avy amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana (DREDD) ao Menabe, ny Distrika ary ny Mpitandro ny filaminana izy ireo, amin’ny fanatanterahana izany. Hatsangana ihany koa ny kômity izay handinika sy hanatsara ny fitsipi-pifehezana eo amin'ny Kalony, mba hifanaraka amin'ny Dinan'i Menabe izany.

Fitsipika ifanarahana

Manan-danja amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny fisian’ny Dina, izay fitsipika ifanarahan’ny eny ifotony, nampifanarahana amin’ny soatoavina misy isaky ny Faritra. Fanombohana ihany moa ity atrikasa « fampahafantarana sy fanetsehana ny Dinan’i Menabe mahakasika ny tontolo iainana », izay notanterahina tao Belo Tsiribihina ity, fa mbola hitohy any amin’ireo Distrika hafa mandrafitra ny Faritra Menabe. Nandray anjara tamin’ny dinika ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, toy ny avy eo anivon’ny DREDD Menabe, ny Faritra, ny Distrikan’i Belo Tsiribihina, ny Solombavambahoaka voafidy tao Belo Tsiribihina, ny Ben'ny tanànan'ny kaominina 7 ao amin'ity Distrika ity, ny mpitandro ny filaminana, ireo prezidan’ny Dina sy ireo Kalony isaky ny kaominina ary ny solon-tenan’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, toy ny Alliance Voahary Gasy, izay manohana ara-bola ny hetsika, amin’ny alalan’ny tetikasa USAID Mizana.

Lire la suite

Articles Similaires