• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mta
Image
Vaovao

Fizahantany : Vinavinaina ny hanokafana ny sidina mampitohy an’Antsiranana amin’ny faritra hafa

30/08/2024 16:21 © Moov.Mg

Antsiranana, renivohitry ny Faritra DIANA, no toerana voalohany notsidihin-drtoa Dewa Viviane, minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, taorian’ny nahavoatendry azy hitana io andraikitra io.

Fanamboaran-dalana

Omaly 29 aogositra 2024 no tonga nitsidika an’Antsiranana ny minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana vaovao. Tamin’izany no nijereny ifotony ny fandroson'ny fanamboaran-dalana mihazo ny valan-javaboaharin'ny Montagne d'Ambre, izay 38 km miala ny tanànan’Antsiranana no misy azy. Mitana anjara toerana lehibe eo amin'ny sehatry ny fizahantany ao amin’ny Faritra DIANA ny Montagne d'Ambre. Manintona mpizahatany maro, tera-tany vahiny sy Malagasy izy, noho ireo zava-boahary mampiavaka azy. Isan’izany ireo hazo sarobidy isan-karazany, ireo karazam-borona marobe sy ny tanalahy isan’ny bitika indrindra maneran-tany. Nanararaotra io fidinana ifotony io ny minisitra, ka nanentana ny rehetra mba hiaro sy hikajy ny tontolo iainana. Araka ny fantatra moa dia tsy ny lalana mihazo ny Montagne d’Ambre ihany no misy fanamboarana ankehitriny, fa maro ireo toeram-pizahantany ahitana fanamboaran-dalana sy fotodrafitrasa ao Antsirananana, amin'ny alalan'ny fiaraha miasa amin'ny tetikasa PIC, toy ny any amin'ny Tsingy Rouge, Montagne des Français sy ny maro hafa.

Fiarahana misalahy

Nihaona tamin’ireo mpandraharaha amin'ny sehatry ny fizahan-tany sy ny asa tanana, ary ireo mpiara-miombon'antoka sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny ao Antsirananana ihany koa ny minisitra, omaly. Nandritra izany no nangatahan’ireo mpandraharaha ny mba hanokafana ny sidina mampitohy an’Antsiranana amin'ny toeran-kafa, toa an’i Nosy Be, Antalaha sy Maroantsetra. Nambaran-dRtoa Dewa Viviane fa hojerena miaraka amin'ny minisitera tompon'andraikitra ny fanatanterahana izany, sady efa vina napetraky ny Ministera tantanany rahateo, ho fampandrosoana ny fizahantany. Nanentana kosa ny Minisitra mba hiara-hisalahy amin'ny fanatsarana ireo tolotra ara-pizahantany misy ao Antsirananana ny mpisehatra rehetra, ho fanatrarana ny tanjona amin'ny fampiroboroboana ny fizahantany.

Lire la suite

Articles Similaires