• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Foibe Famantarana Ny Toetr'Andro
Image
Vaovao

Asam-panjakana : Mitaky ny hanalana ny Tale Jeneraliny ny mpiasan’ny Foibe Famantarana ny toetry ny andro

30/08/2024 14:57 © Moov

Nivelatra teo amin’ny vavahadin’ny Météo Ampandrianomby ny soratra milaza hoe « Météo en grève » « DG miala ». Raha ny fanazavana avy amin’ireo mpiasa dia mangataka ny hialan’ny Tale Jeneraliny izy ireo amin’izao fotoana izao. Efa nanome fe-potoana 72 ora izay tapitra ny alarobia teo izy ireo ka izao niroso tamin’ny fitokonana izao.

Tsy fahaizana mitondra

Anisan’ny antony anenjehan’ireto mpiasa ireto ity Tale Jeneraly ity ny tsy fahaizana mitondra mpiasa sy tsy fahaizana mitantana orinasa. Mangataka mihitsy araka izany ireto mpiasa rehetra ireto ny hanoloana io Tale io. Tapitra ny alarobia teo ny 72 ora nitadiavana vahaolana ka nampiakatra ny feo ireto mpiasa mba ho ren’ireo Tompon’andraikitra tokony hiantefan’izany. « Mampitaraina ny mpiasa ny fitantanana mandringa, eo ihany koa ny resaka tsy fahaizana mifampiresaka amin’ny mpiaramiasa. Matetika dia iharan’ny fanararaotam-pahefana ny mpiasa ka izay tsy mahay miresaka aminy dia tsy omeny asa. Lasa olona vitsy sisa no miandraikitra ny asa maro be », hoy i Lovandrainy Ratovoharisoa, solontenan’ireo mpiasa. Araka izany, mandra-piandry ny vahaolana dia nanapa-kevitra izy ireo ny hanena ny asa fanao ary ny fampandehanan-draharaha sisa no tanterahina eo anivon’ny Météo Ampandrianomby.

Fifampiresahana tamin’ny Ministera

Ny maraina teo ihany anefa dia nidina teny an-toerana ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny fitaterana sy ny fampahafantarana ny toetr’andro. Taorian’izany dia nanapakevitra ny hanatsahatra ny fitokonana aloha izy ireo. Ny alatsinainy izao kosa no horaisin’ny Minisitra Ramonjavelo Valéry izy ireo hikaroham-bahaolana amin’ireo olana mianjady amin’ireo mpiasa. Araka izany, ny valiny mahafa-po amin’ny fangatahan’izy ireo irery ihany no andrasany mba hiverenana amin’ny asa. Nanamarika moa ireto mpiasa ireto fa iankinan’ny fahasalamana, ny fanamboarana fotodrafitrasa toy ny lalana sy ny trano, ny ekonomia indrindra eny an-dranomasina, ny asan’izy ireo. Vahaolana haingana araka izany no andrasan’izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires