• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pam
Image
Vaovao

Tsikonina, lakozia mitety vohitra : Sady milalao no mianatra momba ny sakafo ara-pahasalamana

30/08/2024 13:59 © Moov

Notohizana tany Toliara indray ny fifaninanana « tsikonina, lakozia mitety vohitra ». Tetikasa iray izay novolavolain’ny Cheffe Henintsoa Moretti sy ny Firenena Mikambana eto Madagasikara ary hiarahany miasa amin’ny Ofisy nasionaly momba ny tsy fanjarian-tsakafo (ONN) sy ny Ofisy rezionaly ao Atsimo Andrefana. Tsy vitan’ny hoe mifaninana mahandro sakafo sady milalao ireto mpianatra ireto fa sady maka fahalalana momba ny sakafo ara-pahasalamana ihany koa.

Hitondra hafatra ho an’ny mpiara-belona

Ireo ankizy mpianatry ny Sekoly fanabeazana fototra (EPP) ao Tsangobory sy Sakabera no nandray ity karazana fifaninanana ity tamin’ity fotoana iray ity. Sakafo ara-pahasalamana manan-karena otrikaina no nentanina ho karakarain’izy ireo tao anatin’izany ary indrindra, akora izay hita ao an-toerana ihany no ampiasaina. Nikarakara karazana sakafo miisa telo kanefa mora hatao ireto mpianatra ireto nandritra izany. Anisan’ny tanjon’ny mpikarakara ny hanefy ny sain’ireto ankizy momba ny sakafo ara-pahasalamana. « Tanjona lehibe indrindra amin’ity tetikasa ity dia mba ho solon-tena izy ireo eny anivon’ny fiaraha-monina afaka hampianatra sy hampahafantatra ireo sakafo ara-pahasalamana tokony karakaraina », hoy ny avy ao amin’ny Programme Alimentaire Mondiale (PAM). Marihina fa hatramin’izao dia mbola ambony hatrany ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Asa iray anisan’ny natao hamahana izany olana izany ity tetikasa ity.

Mahandro sakafo malagasy

Anisan’ny harena raiketin’ity fifaninanana « Lakozia mitety vohitra » ity ihany koa ny fampiroboroboana ny fahaizana mahandro ny sakafo malagasy eo amin’ny ankizy. Harena ara-tsaina izany ka anisan’ny tanjon’ny UNESCO izay ao anatin’ny firenena mikambana ny hitahiry izany. Izany indrindra no nanohizana ity tetikasa ity tany Toliara ary mbola hiparitaka manerana ny Nosy izany. Notsaraina araka izany ireo sakafo tamin’ny alalan’ny fahaizan’ireo mpianatra mamorona, ny mampiavaka azy amin’ny hafa ary indrindra ny maha-sakafo voalanjalanja sy maro loko azy. Ny sakafo eny anivon’ny sekoly no hanombohana ny fampiharana ireto karazana sakafo ara-pahasalamana azo alain-tahaka ireto.

Lire la suite

Articles Similaires