• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fandaharan'asa fanaovam-baksiny faobe : Vaksiny vaovao miisa 4 no hampidirina eto Madagasikara

30/08/2024 11:38 © Moov.Mg

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra, notontosaina tamin’ity herinanro ity, ny fampidirana ny vaksiny anti-HPV miady amin'ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza eto Madagasikara. Ankoatra io, dia mbola misy ihany koa ireo vaksiny vaovao hafa hampidirina ho fanamafisana ny hery fiarovan’ny zaza malagasy, araka ny fanazavana nomen’ny avy eo anivon’ny GAVI.

Mampihena ny taham-pahafatesana

Tsikaritra, tao anatin’ny taona maro izay, fa isaky ny mampiditra karazana vaksiny iray vaovao ny firenena, dia midina ny taham-pahafatesan'ny zaza, hoy ny dokotera Ramamonjisoa Eli, avy amin’ny GAVI (Alliance mondiale pour les vaccins et l’immunisation), nandritra ny latabatra boribory nokarakarain’ny « Consortium » ivondronan’ny Vovonana HINA, ny CCOC (Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes) ary ny tambajotran’ny tanora NOSYW sy ny CHANUT Mada tany Boeny. Nanomboka tamin’ny taona 1983 no efa nisehatra teo aminny fitsaboana ny Dr Ramamonjisoa Eli, ka nahita ny fivoarana ara-pahasalamana teto Madagasikara, nandritra ny taona mifandimby. Tany amin’ny taona 1992 dia zaza latsaky ny 5 taona miisa 183 amin’ny 1.000 no namoy ny ainy teto Madagasikara. Tamin’ny taona 2021 dia nidina ho 75 amin’ny 1.000 isa izany, araka ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny fahasalamana (EDS). Isan’ny nanampy betsaka nampihenana io taham-pahafatesan’ny zaza io ny fanaovam-baksiny, hoy ny fanazavan’ny Dr Ramamonjisoa Eli.

Fanaovam-baksiny faobe

Noho izay maha-zava-dehibe loatra ny vaksiny izay, dia ho ampitomboina ny isan’ireo vaksiny fiarovana amin’ny karazan’aretina hampiasaina eto Madagasikara, ao anatin’ny fandaharan'asa fanaovam-baksiny faobe (PEV). Efa nankatoavin’ny Filàn-kevitry ny minisitra ny fampidirana ny vaksiny anti-HPV hiadiana amin'ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza, ho an'ireo ankizivavy 9 hatramin’ny 14 taona manerana ny Nosy. Amin’io taona 2025 ho avy io dia hampidirina ihany koa ny vaksiny miady amin’ny haromontana, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny GAVI. Amin’ny taona 2026 na 2027 dia tombanana ho tonga eto amintsika ihany koa ny vaksiny miady amin’ny tazomoka, izay mbola mitarika fahafatesan’olona maro. Efa ao anatin’ny fandaharan’asa, ankoatra izay, ny fampidirana ny vaksiny iray izay sady misoroka ny kitrotro no misoroka ny bonibony (rougeole – rubéole). Mety mahatonga tsy fahatomombanan’ny zaza ao an-kibo mantsy, raha sendra tratran’ireo aretina ireo ny vehivavy mitondra vohoka.

Marihina fa ny GAVI no miantoka ny 80% amin’ny vidin’ny vaksiny ampiasaina eto Madagasikara, fa 20% kosa no fandraisan’anjaran’ny Fanjakana malagasy.


Copyright Image : © Moov - Dr Ramamonjisoa Eli

Lire la suite

Articles Similaires