• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Infos De L'Université D'Antananarivo
Image
Vaovao

Fanadiovana : Mifanome-tanana manadio ny ao anatin’ny Oniversiten’Antananarivo ny mpianatra

30/08/2024 11:21 © Moov

Efa hita sahady ny vokatry ny fanadiovana nataon’ireo mpianatra eny anivon’ny Oniversiten’Antananarivo. Ao anatin’ny tetikasan’ny mpianatra taona fahatelo ao amin’ny sampam-pianarana « Médiation et Management Culturel » ny tetikasa « Ndao Hanadio Dieny Anio » izany. Nanomboka omaly izany ary tsy hifarana raha tsy ny alahady izao.

Fanadiovana faobe

Tetikasan’ny mpianatra izy ity saingy natao ihany koa hanentanana ny mpianatra rehetra amin’ny fandraisana andraikitra tokony hananany amin’ny fanadiovana eny anivon’ny Oniversite. Hanatanteraka fanadiovana sady fanentanana ny hafa hanadio ireto mpianatra ireto isan’andro. Amin’ny 8 ora hatramin’ny 11 ora izany ny maraina ary amin’ny 2 ora hatramin’ny 4 ora kosa ny tolak’andro. « Azo lazaina ho fanadiovana faobe ihany ity tanterahinay ity satria tsy izahay mpianatra nanao ilay tetikasa irery ihany no handray anjara fa izay mazoto rehetra. Notsongaina manokana ireo ora ireo satria matetika amin’ireo no be mpandalo ny toerana ho dioviana », hoy i Miora Rasoaravaka, solontenan’ireo mpianatra ao amin’ny « mention Médiation et management culturel ». Tsara ny manamarika fa andrana fanatanterahana tetikasa ity ho an’ireto mpianatra ireto. Isan-taona dia tsy maintsy manatanteraka izany izy ireo saingy tamin’ity dia nisafidy ny momba ny fiarovana ny tontolo iainana.

Ho an’ny tontolo iainana

Nanombohana ity tetikasa ity ny manodidina ny « Agence Universitaire de la Francophonie », ny manodidina ny APF 2 ary ny eo amin’ny fiantsonan’ny fiara eo amin’ny Fakiolten’ny teny sy ny siansa maha-olona. Tsy tongatonga ho azy ny hevitr’ireto mpianatra ireto fa ny fahitana ny fako mivangongo etsy sy eroa ao anatin’ny Oniversiten’Antananarivo. « Rehefa nataonay ny fidinana ifotony dia betsaka loatra ireo fako. Sady fanadiovana araka izany no ataonay no antso ho an’ireo mpianatra mba hanajanona ilay fomba ratsy manaparitaka fako », hoy hatrany ny fanazavana. Nanamarika izy ireo fa manomboka amin’ny fihetsika kely toy izao no manomboka ny fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny. Mbola misy telo andro ny fanatanterahana ny tetikasa hiandrasan’izy ireo ny ankamaroan’ny mpianatra rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires