• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fanatsarana famokarana : Mpamboly hatramin’ny iray tapitrisa hahazo fiofanana mikasika ny « PFUMVUDZA »

30/08/2024 09:07 © Moov

Nihaona tamin’ny Sekreteram-panjakana miandraikitra ny Fahavitan-tena ara-Tsakafo ny tompon’andraikitra voalohany avy ao amin’ny PPC na ny "Programme PFUMVUDZA and Crown » ny alarobia teo. Noresahina tamin’izany ny fanampiana azo atao hanatsarana ny famokarana. Tapaka araka izany fa tantsaha miisa hatramin’ny iray tapitrisa no hisitraka fampiofanana momba ny teknika « PFUMVUDZA ».

Teknikam-pambolena avy any Zimbaboe

Anisan’ny fomba hahafahana manatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fambolena. Hamporisihina mihitsy ny mpamboly amin’izao fotoana izao hanamafy izany. Ho fanatratrarana ny tanjona momba izany ary dia ireo tantsaha mpamboly ireo indray no hanohizana ny fampiofanana momba ity teknikam-pambolena ity. Ny teknika « PFUMVUDZA », raha tsiahivina dia dia mifototra amin’ny fanatsarana ny nofon-tany izay teknika avy any Zimbaboe. Rakofana bozaka ny fambolena eo aminy mba hitazomana ny hamandoan’ny tany. Ao anatin’ny teknika ihany koa ny fanovanovana ny karazana voly atao kanefa atao amin’ny velaran-tanim-pambolena kely. Hanamaivanana ny asam-pambolena ary indrindra hampiakarana ny taham-bokatra ny tena tanjon’ity teknika ity. Ireo tantsaha ireo araka izany no hitondra voalohany ny fanovana raha ny tanjona napetraka.

Ankohonana Miarina

Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Ankohonana Miarina » ny fanapariahana ity teknikam-pambolena ity. Tanterahina eny Fiaferamanga sy Ambohimiarina izy amin’izao fiantombohany izao. Ao anatin’ity tetikasa ity dia tanjona ny hahafeno ny sakafo ara-pahasalaman’ny tokantrano ahitana olona miisa 6 miara-miaina, amin’ny toerana mirefy 624m2 hoy ny fanazavan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Ity fomba fambolena ity dia ahafahana mampitombo vokatra 5 hatramin’ny 10 heny noho ny fomba fambolena mahazatra eo amin’ireo tanin’ireo tantsaha ireo na kely aza. Raha tsiahivina dia nilaza ny Filoham-pirenena tamin’ny volana marsa 2024 fa « hanala ireo fianakaviana amin’ny fahantrana ny tetikasa izay hampitombo ny velon-tena ihany koa ». Haharitra efa-taona ny fampiofanana ary hanampy ireo tantsaha hatrany ny tompon’ny fandaharan’asa ao anatin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires