• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Us Embassy
Image
Vaovao

Lamaody tompon’andraikitra : Vehivavy miisa 29 no nofanin’ny tetikasa « Métamorphose »

30/08/2024 06:40 © Moov.Mg

Araka ny fanadihadiana dia sehatr’asa fahatelo amin’ireo mpandoto tontolo iainana indrindra eran-tany ny indostrian’ny lamaody. Ity sehatra ity no tompon’antoky ny 10% amin’ny famoahana entona mangeja hafanana. Tsy maintsy irosoana, noho izany, ny famoronana lamaody maharitra sy manaja ny tontolo iainana. Izany indrindra no iompanan’ny tetikasa « Métamorphose », izay tohanan’ny Masoivoho Amerikanina eto Madagasikara.

Lamaody manaja ny tontolo iainana

Raha tsiahivina dia ny 5 jona 2024 no natomboka tamin’ny fomba ôfisialy ny tetikasa «Métamorphose ». Maintimolaly fito mianadahy, nandray anjara tamin’ny fandaharanasa amerikanina « International Visitor Leadership Program » (IVLP) 2020, no misahana ity tetikasa ity, tohanan’ny Masoivoho Amerikanina eto Madagasikara. Maromaro ny hetsika efa vita, hatramin’ny niantombohany, toy ny valan-dresaka sy fampirantiana momba ny famoronana maharitra sy ny fiantraikan’ny lamaody amin’ny tontolo iainana ; ny hetsika filatroana nanehona izany famoronana lamaody manaja ny tontolo iainana izany ; ary tamin’ity volana aogositra ity dia fampiofanana vehivavy 29 isa, voafantina avy any amin’ny faritra samihafa, momba ny famoronana lamaody maharitra sy manaja ny tontolo iainana. Naharitra telo herinandro izany fiofanana izany, izay niompana tamin’ny teknika tena ilaina amin'ny famoronana lamaody tompon’andraikitra. Tafiditra tao anatin’izany ny fanodinana ny akora efa niasa, ny fanaovana lasitra fanjairana sy petakofehy ary ny fandrariana rafia.

Fandraharaharan’ny vehivavy

Isan’ny niofanan’izy ireo, ankoatra izay, ny fahaiza-manao rehetra ilaina, mba hahombiazana eo amin’ny sehatry ny lamaody maharitra, manomboka amin'ny dingana samihafa amin’ny famoronana andiana fitafiana, ka hatramin’ny fametrahana mari-pamantarana an’ireo asa famoronana, ary koa ny fampisehoana izany. “Ny lamaody tompon’andraikitra dia tsy mifototra fotsiny amin’ny fampiharana, fa koa amin’ny akora sy ny olona miasa eo amin’izany sehatra izany”, hoy ny fanazavan’i Eva Lambà, iray amin’ireo mpampiofana no sady maintimolalin’ny IVLP 2020. Tanjon’ny tetikasa « Métamorphose », raha tsiahivina, ny hanairana ny sain’ny olona momba ny fiantraikan'ny indostrian'ny lamaody amin’ny tontolo iainana ; ny hanohanana ny fandraharaharan’ny vehivavy eo amin’ny tontolon’ny famoronana lamaody ary koa ny hampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpandraharaha maintimolalin’ireo praograma vatsian’ny governemanta amerikanina vola.

Lire la suite

Articles Similaires