• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Doro tanety : Trangana afo miisa 4 no nahakasika ny faritra arovana, voafehy avokoa

30/08/2024 06:36 © Moov.Mg

Hatramin’ny niantombohan’ny vanim-potoanan’ny afo, tamin’ity taona 2024 ity, dia nisy trangana afo 4 nahakasika ny faritra arovana teto Madagasikara, saingy voafehy izany, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.

Andraikitry ny rehetra

Azo lazaina ho vao manomboka ny vanim-potonan’ny afo eto amintsika amin’izao fotoana izao, izay mpitranga isan-taona isaky ny main-tany. Fotoana izao hanovana ny zava-misy, araka ny fanentanana nentin’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), tamin’ny alalan-dRtoa Ratefason Zafindragisimary Tojotsara, talen’ny faritra arovana eo anivon’ny MEDD. Miisa 125 eo ho eo no isan’ny faritra arovana eto Madagasikara, ka tokony ho samy saro-piaro amin’ireo ny Malagasy rehetra, hoy izy. Tsy vitan’ny MEDD irery mantsy ny hiaro azy ireo, sady ny zava-misy ankehitriny, toy ny fiovan’ny toetry ny andro, dia manasarotra kokoa ny fitantanana ny afo. Izany indrindra no mahatonga ny MEDD hanentana ny rehetra amin’ny fitandremana, mba hisorohana ny fitrangan’ny afo, fa ihany koa handray andraikitra hamono afo, raha sendra tojo azy ireny, indrindra rehefa misy doro tanety mitranga manamorona ny lalam-pirenena.

Nametraka paikady

Trangana afo miisa efatra no fantatra fa nanantomotra ny faritra arovana, araka ny nambran’ny talen’ny faritra arovana eo anivon’ny MEDD, tamin’ity taona ity. Ny roa dia tany amin’ny valan-javaboaharin’Isalo, ka ny iray nikasika ny faritra arovana, saingy tsy voakasika ny tena faritra fitahirizana ireo karazanjavamananaina (zone de conservation) ; ny iray kosa tany ivelan’ny faritra arovana ; ny fahatelo dia tany amin’ny Farihy Mahery any amin’ny faritra DIANA ary ny fahefatra dia tany amin’ny faritra arovana Antrema, any amin’ny Faritra Boeny. Tsy nisy niitatra ny afo tamin’ireo tranga efatra ireo fa voafehy avokoa, araka ny fanazavana hatrany, saingy ny tsara indrindra, dia ny tsy fisian’ny trangana afo. Isan’ny paikady apetraky ny ministeran’ny Tontolo Iainana ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny mpitandro ny filaminana, zandary sy miaramila ary ny polisy, manao « patrouille mixte », manara-maso ireny faritra arovana ireny. Efa vonona ihany koa ireo mpitantana ny faritra arovana, amin’ny fotoana rehetra, raha sendra misy trangana afo. Ankoatra izay dia miara-miasa amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny MEDD, amin’ny fanatanterahana fanabeazana ara-tontolo iainana, dieny mbola eny amin’ny ambartonga fototra ny ankizy. Mba tsy ho ny tahotry ny lalàna sy ny sazy no hahatonga ny olom-pirenena hiady amin’ny afo, hoy rtoa Ratefason Tojotsara, fa ny fitiavana ny tontolo iainana mihitsy.

Lire la suite

Articles Similaires