• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Ho faritra arovana ny 20%-n’ny velaran-tanin’i Madagasikara

29/08/2024 18:58 © Moov.Mg

Ahitana karazanjavamananaina manodidina ny 250 000 isa eto Madagasikara ary tsy hita afa-tsy eto amintsika ny 70 % amin’ireo. Fanamby lehibe ny fiarovana ireo karazanjavamananaina ireo tsy ho lany tamingana ary efa nanasonia sy nankatoa fifanarahana iraisam-pirenena maro karazana i Madagasikara, momba izay fiarovana ny tontolo iainana izay. Isan’ny manan-danja be amin’ireo ny fifanarahan’i Kunming-Montréal.

Atrikasa ho an’ny karazanjavamananaina

Ny fifanarahan’i Kunming-Montréal (Cadre Mondial pour la Biodiversité de Kunming-Montréal) dia fifanarahana iraisam-pirenena miompana amin’ny fisorohana ny fahaverezan’ny karazanjavamananaina. Misy tanjona 23 ao anatiny, fa ny tanjona faha-3, izay isan’ny goavana indrindra, antsoina hoe : 30 amin’ny 30 (30/30) no niompanan’ny atrikasa notanterahina androany teny Antanimena, izay mbola hitohy rahampitso. Voafaritr’io tanjona io ny amin’ny tokony hiarovana ny 30%, fara-fahakeliny, amin’ny amin’ny faritra an-tanety, an-drano sy an-dranomasina maneran-tany, hatramin’ny taona 2030. Ireo firenena rehetra nankatoa ity fifanarahan’i Kunming-Montréal ity no samy miara-manatratra io tanjona io, amin’ny fomba rehetra sy ny fahafahany avy, ka tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara. Tsy fiarovana fehy fiarovana fotsiny anefa no atao, hoy Rasamoelina Andry Fidiniaina Moïse, sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), fa eo indrindra koa ny fanomezan-danja ireny faritra arovana ireny, mba hahafahana mitondra fampandrosoana ho an’ny vahoaka. Etsy an-daniny, tsy maintsy tanterahina ny fanarenana izay efa simba.

Ho lovainjafy

Ho an’i Madagasikara manokana, araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana dia mirefy 9 922 564 ha ny velaran’ny faritra arovana, ka ny 5 816 291 ha dia faritra arovana an-tanety, ny 2 546 440 ha faritra arovana an-dranomasina ary ny 1 559 833 ha dia sady ahitana faritra arovana an-tanety no an-dranomasina. Ny 6 tapitrisa ha amin’ireo no efa ananana taratasy ara-dalàna fa eo an-dalam-pikarakarana ny taratasy momba ny 3 tapitrisa ha ambiny ny MEDD. Nametraka tanjona manokana isika fa ny 20% amin’ny faritr’i Madagasikara no hatao ho faritra arovana. Velaran-tany 3 tapitrisa ha no mbola tadiavina mba hahatrarana izany tanjona izany. Araka izany, mbola hiitatra ny velaran’ny faritra arovana eto amintsika, ka tsy maintsy jerena akaiky ny fomba hanatsarana ny fitantanana azy ireny, satria mbola misy ny tsy tomombana : tsy ampy ny vola ary tsy ampy ihany koa ny olona, hoy Rasamoelina Moïse. Etsy an-daniny, mila fanovana ny fomba fitantanana, satria taloha, tsy afaka miditra any anaty faritra arovana ny vahoaka ka tsy afaka misitraka ny tombontsoa azo avy amin’izy ireny. Izany rehetra izany no anton’ity atrikasa mikasika ity, izay iarahan’ireo mpisehatra rehetra amin’ny tontolo iainana eto Madagasikara manatanteraka. Tanjona ny hampiroboroboana ny faritra arovana, hisitrahan’ny rehetra tombontsoa, ary indrindra, ho lovainjafy.

Lire la suite

Articles Similaires