• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov - Csb Ii Andranofasika
Image
Vaovao

Faritra Boeny : Marisarisa ny vehivavy amin’ny fampiasana fandrindram-piterahana

29/08/2024 16:53 © Moov.Mg

Laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana malagasy, ao anatin’ny ady amin’ny fahantrana, ny fampiroboroboana ny fampiasana ny fomba fanabeazana aizana. Raha ho an’ny Faritra Boeny manokana anefa, dia miara-milaza ireo tomponandraikitry ny tobim-pahasalamana fototra fa marisarisa ny olona amin’ny fampiasana izany.

Andairan’ny tsaho

Raha ho an’ny CSB II ao Belobaka, Distrikan’i Mahajanga II izao, dia 38% ny tahan’ny fampiasana fomba fandrindram-piterahana, araka ny fanazavan’ny Dr Julio Romaric, tomponandraikitr’ity tobim-pahasalamana ity. Nametraka tanjona ny hampiakatra ny tahan’izany ho 60% anefa ny fitondram-panjakana, hatramin’ny faran’ny taona 2023 lasa teo. Amin’ny ankapobeny dia ny fiparitahan’ny tsaho no mahatonga ny olona tsy mazoto mampiasa fanabeazana aizana. « Vao misy marary kely any amin’ny kibon’ny vehivavy mampiasa fandrindram-piterahana, dia miverina eto izy sy ny vadiny, milaza fa ilay fanabeazana aizana no nahatonga izany », hoy ny Dr Ramanantsoa Gervais, chef CSB II ao Andranofasika, Distrikan’Ambato Boeny. Manjaka loatra mantsy ny tsaho, ka mila ampianarina sy ahitsy mihitsy ny olona, mba tena hahafantatra marina ny atao hoe : fanabeazana aizana, hoy ity mpitsabo ity. Raha ny fanazavany moa dia misy zatovovavy 14 taona dia efa mitondra vohoka ary tonga misafo ao amin’ny CB II tantanany. Manodidina ny 5 na 6 kosa ny zaza ateraky ny vehivavy ao amin’ny kaominina Andranofasika, amin’ny ankapobeny.

Tsy avelan’ny lehilahy

Matetika ihany koa dia ny lehilahy no manakana ny vadiny tsy hampiasa fanabeazana aizana. I Papan’i Lapiso, monina ao Ambalabozy Amborovy izao, dia tena mandà tanteraka ny hampiasan’ireo vadiny fomba fandrindram-piterahana. « Ireo », satria dia miisa 3 ireo renin-janak’i Papan’i Lapiso, araka ny fanazavany. 50 taona ny lehilahy, miisa 9 ireo zanany, 22 taona ny zokiny indrindra, ary vao tapa-bolana lasa izay no teraka ireo kambana keliny farany. « Andriamanitra no mandahatra », hoy izy, ka « Izy ihany koa no mampitsahatra », rehefa tsy tokony hiteraka intsony. Aminy dia sarobidy ny fananana zanaka maro, satria ireo no hilanja azy rahatrizay tonga ny andro handevenana azy. Sady « misy akony amin’ny fahasalamana io, mety hiteraka aretina, raha tsy mifanaraka amin’ny vatana », hoy hatrany izy, nanitrikitrika.


Copyright Image : © Moov - Papan'i Lapiso

Mizaha fahasalamana

Nanazava moa ny Dr Ramanantsoa Gervais, fa mety hisy tokoa ny olana ara-pahasalamana (effet secondaire) ateraky ny fampiasana fanabeazana aizana, toy ny fihitsanam-bolo, fahakizintinana, mihenjakenjana ny nono, ary mety hitarika hatramin’ny fahatsentsenan’ny lalan-dra mihitsy. Saingy raha misy ny olana, dia tsy maintsy ajanona ilay fomba fandrindram-piterahana. Sady, mialohan’ny hisafidianana ny fanabeazana aizana, dia tsy maintsy misy ny fizaham-pahasalamana atao amin’ilay vehivavy. Raha misy, ohatra, ny tsiranoka tsy ara-dalàna mivoaka amin’ny taovam-pananahana, dia tsaboina izany.

Amin’ny ankapobeny dia ny tsindrona maharitra telo volana no fandrindram-piterahana be mpisafidy, eny amin’ny CSB II ao Boeny.



Lire la suite

Articles Similaires