• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitr’asa: Mandroso ny asa fanamborana ny lalam-be migodana

29/08/2024 16:28 © Moov

Nitsidika voalohany ny asa fanamboarana ny lalam-be migodana na « autoroute », mampifandray an’Antananarivo sy Toamasina, ny Minisitry ny Asa Vaventy, Rafidison Richard Théodore, androany. Raha ny tatitry ny fitsidihana izay natao dia mandroso ny fanamboarana ity tetikasa lehiben’ny Filoham-pirenena ity.

Mahavelom-bolo

Mandroso ny asa rehetra hoy hatrany ity Minisitra ity ka mahavelom-bolo ny fanatanterahana azy. Nojerena ny fandrosoan’ny asa ary tao anatin’izany ny fametrahana ny toerana fitrandrahana vato, ny fananganana « laboratoire géotechnique », ny "terrassement" sy ireo asa maro samihafa efa mandroso amin’izao fotoana izao. « Mahavelom-bolo ny zavatra hita ety ifotony. Tsy maintsy hajaina ireo fe-potoana rehetra efa napetraka mikasika ity lalambe migodana ity mba hahatanterahan’ny tetikasa », hoy ny Minisitra tomponandraikitra. Nanamafy ihany koa ny tenany fa laharam-pahamehana ao anatin’ny tetikasan’ny Fitondram-panjakana ity lalam-be migodana ity. Fototra lehibe ho an'ny fampandrosoana an’i Madagasikara, na amin’ny lafiny ara-toekarena na ara-tsosialy, ny fahavitany. Izany no mandrisika ny Minisitra hanatanteraka ny asa ara-potoana sy hiezaka hanaja ireo fe-potoana izay napetraka.

Pitsopitsiny ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy

Efa nanambara ny Ministeran’ny asa vaventy fa efa milamina avokoa ny lafiny ara-tontolo iainana sy ny ara-tsosialy amin’ity asa ity. Raha tsiahivina dia maro ireo Firaisamonim-pirenena sy fikambanana samihafa nanakana ny hitsin’ny lalana izay efa napetraka tamin’ny voalohany. « Efa nisy ny fanovana izay natao ka efa milamina avokoa ny lafiny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanajana ny vakoka ara-kolontsaina ary ny fiainana ara-tsosialin’ireo mponina manodidina », hoy ny avy ao amin’ny Ministera hatrany. Ao anatin’izany, ohatra ny fanovana ny lalana teo Ambohimanga Rova mba tsy hikitihana ny Vakokan’ny UNESCO. Eo ihany koa ny fandalovana amin’ny faritra arovana izay efa nialana. Torak’izany ihany koa ny fandalovana eo amin’ny Corridor Zahamena izay efa nikarohana marimaritra iraisana. Marihina fa heverina ho vita tara alohan’ny faran’ity taona ity ny tapany voalohany amin’ny asa izay mirefy 25 km.

Lire la suite

Articles Similaires