• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fankasitrahana : Notolorana mari-boninahitra ny tale jeneralin’ny tahirim-bola ho an'ny tontolo iainana

29/08/2024 14:36 © Moov.Mg

Notoloran’ny Fanjakana malagasy mari-boninahitra ny filoha tale jeneralin’ny Tahirim-bola ho an'ny tontolo iainana maneran-tany (FEM), amin’izao fandalovany eto Madagasikara izao, ho mari-pankasitrahana azy.

Fiaraha-miasa 30 taona

Ny FEM no tahirim-bola isan’ny lehibe indrindra manohana an’i Madagasikara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Nankasitraka manokana izay tohana sy fiaraha-miasa nataon’ny FEM ho an’i Madagasikara izay ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina. Efa naharitra 30 taona tokoa mantsy, raha tsiahivina, ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta. Mandalo eto Madagasikara Atoa Carlos Manuel Rodríguez, filoha tale jeneralin’ny FEM, ary nanatrika ny fifanakalozan-kevitra nasiônalin’ny FEM 8 (Dialogue National du FEM 8), izay notanterahina nandritra ny roa andro. Tao anatin’izany no nanaovana tombana ny fiaraha-miasa teo amin’i Madagasikara sy ny FEM ary koa nijerena miaraka sy nandrindrana ireo sehatr’asa hiaraha-manatanteraka amin’ny hoavy. Ho mariky ny fankasitrahan’i Madagasikara azy dia notolorana ny mari-boninahitra Chevalier de l’Ordre National Malagasy Atoa Carlos Manuel Rodríguez, omaly 28 aogositra 2024.

Mpiaro ny tontolo iainana

Carlos Manuel Rodrígue moa dia minisitry ny tontolo iainana tany Costa Rica teo aloha. Mpisolovava izy, fa mpanao pôlitika ihany koa, araka izany, fa indrindra, mpiaro ny tontolo iainana tena resy lahatra. Nandritra ny fotoana naha-minisitry ny tontolo iainana azy dia nitombo avo roa heny ny velaran-tany rakotra ala tany Costa Rica, tafakatra 100% ny tahan’ny famatsiana herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina, ary lasa toeram-pizahantany ara-tontolo iainana isan’ny kanto indrindra eran-tany i Costa Rica. Ny FEM izay tantanany kosa dia rafitra ara-bola misehatra manokana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanatanterahana ireo fifanarahana iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro, ny fiarovana ny karazanjavamananaina, ary ny ady amin’ny fandotoana sy ny fahasimban’ny tany. Efa nahazo famatsiam-bola maherin’ny 200 tapitrisa dôlara avy amin’ny FEM i Madagasikara hatramin’ny taona 1994.

Lire la suite

Articles Similaires