• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Madagascar Tribune
Image
Vaovao

Ady amin’ny kolera : Miverina ny fitaterana an-dranomasina eo amin’i Madagasikara sy Kaomoro

29/08/2024 14:10 © Moov

Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly fa haverina ny fitaterana an-dranomasina mampifandray an’i Madagasikara amin’ny Kaomoro. Nihato izany nanomboka ny febroary lasa teo noho ny fisian’ny valan’aretina kolera tao Kaomoro. Efa voafehy ny aretina, enim-bolana aty aoriana ka ankehitriny, hiverina ny fitaterana.

Tsy misy marary intsony

Raha tsiahivina tamin’iny volana febroary iny dia tao Kaomoro no niantombohan’ity aretina kolera ity. Natahorana ny mety hahatafidirany teto an-toerana ka nohidiana ny sisin-tany mampifandray aminy. Amin’izao fotoana izao dia nanambara ny Minisiteran'ny Fahasalamana sy ny Fiarovana ara-tsosialy tao Kaomoro, fa noho ny ezaka amin'ny fifehezana ny valan'aretina dia nahafahana nanao vaksiny 488.185 amin'ny mponina 833.266 voan'ny kolera. Efa nihena ny fihanaky ny valan’aretina ankehitriny ary hatramin'ny 29 Jolay lasa teo dia tsy nisy tranga vaovao. Izany tsy fisiana marary izany intsony dia manamafy fa tapaka ny rojom-pifindran’ny aretina. Voaaro ny Malagasy amin’izao fotoana izao raha ny fanamarihana ka izay no antony hanokafana ity fifandraisana an-dranomasina ity indray. Hatreto aloha dia mbola tsy nisy ny tranga momba ity aretina ity hita teto Madagasikara.

Mitoetra ireo fepetra noraisina

Maro ireo fepetra noraisina nandritra iny vanim-potoana nampihitatra be ny kolera iny. Anisan’izany ny fandalovana amin’ireo ranom-panafody rehefa tonga amin’ny seranam-piara-manidina. Etsy andaniny dia naverina ihany koa ny fihetsika sakana rehetra nampiasaina nandritra ny aretina « covid-19 ». Ao anatin’izany ny fanasana tanana matetika sy ny fampiasana « gel désinfectant ». Amin’izao fotoana izao, mbola mitoetra ireo fepetra ara-pahasalamana samihafa noraisina ireo. Mitohy hatrany ihany koa ireo fepetra fitandremana rehetra (chimio prophylaxie ciblée) ho an'ireo mpandeha avy any amin'ny firenena nahitana valan’aretina. Tsara ny manamarika fa aretina mahafaty ny kolera ary mora mifindra ka mbola ilaina hatrany ny mitandrina eny amin’ny fiaraha-monina.

Lire la suite

Articles Similaires