• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp.Jpg
Image
Vaovao

Salon de l’ESPA : Misongadina eny Analakely ny voka-pikarohan’ireo mpianatra ny Politeknika

29/08/2024 10:15 © Moov

Tontosaina eny amin’ny Parvis Analakely amin’izao fotoana izao ny « Salon de l’ESPA ». Fotoana iray hanasongadinan’ireo mpianatra sy ny sampam-pampianarana rehetra ao aminy ny voka-pikarohan’izy ireo. Manam-pahaizana ny mpianatra mivoaka eny amin’ny Politeknika Vontovorona ka tena miavaka ireo voka-pikarohana hampirantiana etsy Analakely.

Mila fanohanana ireo mpianatra

Miisa 16 ny sampam-pampianarana misy eny amin’ny Politeknika Vontovorona. Samy manana ny voka-pikarohany avy ireo mpianatra ireo. Misedra olana anefa izy ireo amin’ny fanatanterahana ny tetikasa izay natsangana. Miainga amin’ny tetikasa mantsy ireo voka-pikarohana azo tsapain-tanana ireo. « Mandany hatramin’ny 500 000 ariary izahay mamorona fitaovana hahafahana mahazo herinaratra avy amin’ny rivotra. Tetikasa azo tanterahina amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Tsy ampy anefa ny fanampiana sy ny fanohanana anay amin’izany asanay izany ka zary lasa an-tsoratra fotsiny ny tetikasa », hoy i Rollando, mpianatra avy ao amin’ny Sampana « Génie civile ». Nanambara anefa ireto mpianatra ireto fa afaka hanampy amin’ny famatsiana herinaratra, izay olana mitoetra amin’izao fotoana izao io tetikasan’izy ireo io. Efa betsaka ihany koa ireo mpianatra no mandefa ny tetikasany amin’ireo Ministera samihafa saingy mbola miandry ny fandraisana izany foana izy ireo.

Te hahafantatra ny Politeknika

Ankoatra ireo voka-pikarohana samihafa, fotoana iray hahafahana mahafantatra ny Sekoly ambony Politeknika eny Vontovorona ity “Salon” ity. Miisa 16 ny sampam-pianarana eny ary mizara amin’ny vondrona efatra.
Génie civil : izay ahitana ny « Batiment et travaux publique », « hydraulique », « information géologique », « aménagement du territoire, urbanisme architecture et génie civile ». Ity no sampana besatsaka mpisafidy indrindra.
Génie des sciences et technologie industrielle : « météorologie », « électronique », « télécommunication », « ingénierie des systèmes avancés ».
Génie des procédés industrielle : « génie des procédés chimique et industrielle », « sciences et ingénierie des matériaux », « génie mécanique et industrielle », « génie rurale », ary ny « génie électrique »
Génies des sciences de la terre : misy ny « génie géologique », « ingénierie minière » ary ny « ingénierie pétrolière ».
Nanamarika ny Filohan’ny Filankevim-pitantanan’ny Sekoly, Rasoloniaina Antoine fa maro amin’ireo mpianatry ny ESPA no efa manana orinasa na anaty fitantanana noho ireo fikarohana nataony. Manana anjara amin’izany ny tanora hafa. Manodidina ny 700 isan-taona eo ireo mpianatra vaovao raisina ao an-toerana avy amin’ny alalan’ny fanadinana.

Lire la suite

Articles Similaires