• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Studio Sifaka
Image
Vaovao

Famatsiana vatsim-pianarana : Manambana fitokonana ny mpianatry ny Oniversiten’ny Toliara

29/08/2024 09:13 © Moov

Mpianatra miisa hatramin’ny 361 ao anatin’ny Oniversiten’ny Toliara no mbola tsy nandray ny vatsim-pianarany mihitsy tamin’ity taom-pianarana ity. Miray fo amin’ireo mpianatra ireo ny hafa izay efa nandray. Miandry vahaolana izy ireo ary hitokona raha mbola tsy voavaha izany.

Vatsim-pianarana rehetra

Olana eo amin’ny kaonty sy ny fanoratana ny anaran’ireo mpianatra any amin’ny lisitr’ireo tokony hisitraka ny vatsim-pianarana no antony tsy ahazoan’ireo mpianatra ireo ny anjarany, raha ny fanazavana. Olana efa nipetraka nandritra ny fotoana maromaro izay ary nampimenimenina ireo mpianatra maro manerana ny Nosy. Amin’izao fotoana izao aloha dia i Toliara no mandrehitra ny afo indray ary mitaky izany zony izany ireo mpianatra. Mpianatra miisa 361 no miandry ny zony tamin’ity taom-pianarana ity. Mbola tsy nandray vatsim-pianarana mihitsy izy ireo tao anatin’izay fotoana izay. « Efa nampanantenaina izahay fa ny 21 aogositra teo no hivoaka io vola io ary nolazaina fa efa any amin’ny Paositra. Nohamarinina tany amin’ny Paositra fa mbola tsy misy any. Miandry ny fanapahan-kevitra farany izahay raha tsy izany dia hiverina hitokona indray », hoy ny Filohan’ny Fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’ny Toliara. Raha tsiahivina ny volana jolay teo dia efa nitokona noho ny vatsim-pianarana ireto mpianatra ireto ka mety hiverina indray izany olana izany ato ho ato.

Vahaolana nasionaly

Tsara ny manamarika fa tsy any amin’ny Oniversiten’ny Toliara irery ihany no ahitana izany olana izany. Miaina izany ihany koa ny mpianatra eny anivon’ny Oniversiten’Antananarivo izay miisa eo ho eo amin’ny 3 000 eo. Toy izany ihany koa ireo Oniversite hafa manerana ny Nosy. Efa samy nitokona avokoa izy ireo saingy mbola tsy voavaha ny olana hatramin’izao. Araka izany, vahaolana nasionaly mihitsy no tokony karohina hahafahan’ireo mpianatra ireo misitraka indray ny zony. Misy amin’ireo mpianatra no efa tsy nandray izany nandritra ny taona roa teo ho eo. Efa nanome toky rahateo ny Minisitra ny fampianarana ambony fa hitady vahaolana haingana momba ireo olana ireo. Miandry araka izany ny mpianatry ny Oniversite.

Lire la suite

Articles Similaires