• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fanaovam-baksiny : Sakana ho an’ny ray aman-dreny sasany ny fomba sy ny finoana

28/08/2024 16:50 © Moov.Mg

Mbola ambany ny taham-panaovana vaksiny ny zaza eto Madagasikara, raha ny zava-misy hita eny ifotony. Araka ny fanadihadiana natao tany amin’ny Faritra Boeny sy Betsiboka, dia ny fombafomba sy ny finoana no isan’ny sakana, tsy ampanaovan’ireo ray aman-dreny vaksiny ny zanany.

Halaviran-toerana

Raha ny antontan’isa nampitain’ny Vovonana HINA, dia ny 38%-n’ny zaza malagasy ihany, amin’ny ankapobeny, no vita vaksiny. Maro ny antony mety hahatonga izany, araka ny fidinana ifotony notanterahan’ny firaisamonim-pirenena HINA niaraka tamin’ny tambajotra CHANUT MADA, nahitana mpanao gazety sy solombavambahoaka, tany amin’ny Faritra Boeny sy Betsiboka. Isan’ny antony tsy ampanaovan’ny ray aman-dreny vaksiny ny zanany ny tsy fahafantarana. Antony iray ihany koa ny fahalaviran’ny elanelana eo amin’ny tobim-pahasalamana sy ny toeram-ponenana. Ny CSB II Belobaka manokana izao dia miadidy Fokontany miisa 7, ka ny 1 ihany no mba manakaiky ny CSB, fa ny 6 ambiny dia misy any amin’ny 30 km sy 45 km no misy azy, araka ny fanazavan’ny Dr Julio Romaric, mpitantana ity CSB II ity. Ao amin’ity tobim-pahasaamana fototra ity dia tsy betsaka loatra ny isan’ny zaza tsy vita vaksiny mihitsy, nailay antsoina hoe : « daozy aotra », fa ireo tsy nahafeno ny fatram-baksiny no betsaka, noho izay halaviran-toerana izay, indrindra indrindra.

Fandresen-dahatra

Etsy an-daniny, antony mahatonga ny ray aman-dreny tsy hampanao vaksiny ny zanany ihany koa ny fombafomba sy ny finoana. Misy antokom-pivavahana tsy mamela ny mpino ao aminy, hoy ny Dr Julio Romaric. Misy kosa anefa ny fiaraha-miasa amin’ny APART (Autorité Politique, Administrative, Religieuse et Traditionnelle), ivondronan’ireo manam-pahefana ara-pôlitika, ara-pitantanana, ara-pivavahana sy ara-drazana. Ny APART no manampy amin’ny fandresen-dahatra ireo ray aman-dreny mandà tsy hanao vaksiny ny zanany. Misy ihany koa ireo ray aman-dreny no miankin-doha amin’ny mpimasy, ka ireto farany no manakana azy ireo tsy hampanao vaksiny ny zanany, satria fady. Nijoro vavolombelona tamin’ny fisian’izany i Patrick Victor, « chef secteur » ao Ambalabozy Amborovy. Tokantrano miisa 3 amin’ireo mponina 280 isa iadidiany no nahitana izany, araka ny fitantarany. Ilaina ny fanamafisana ny fanentanana, mba handresen-dahatra ny ray aman-dreny amin’ny tombontsoa azo avy amin’ny fanaovam-baksiny, hoy ny sekretera mpanatanteraky ny Vovonana HINA, Beninandiana Willy. Tafiditra ao anatin’ny paikady hotanterahan’ny « Consortium » ivondronan’ny Vovonana HINA, ny CCOC (Collectif des Citoyens et des Organisations Citoyennes) ary ny tambajotran’ny tanora NOSYW izany, taorian’ity fidinana ifotony ity, izay ny Global Health Advocacy Incubator (GHAI) no namatsy vola azy.

Lire la suite

Articles Similaires