• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Senvh
Image
Vaovao

Trano mora : Manomboka androany ny fandoavana ny vola vidin’ireo trano

28/08/2024 15:40 © Moov

Efa hita teny amin’ny Agence Nationale d'Appui au Logement et à l'Habitat (ANALOGH) ireo mpisitraka ny trano mora androany. Nanomboka tamin’ity anio ity manko ny fandoavana ny vidin’ireo trano. Nanatanteraka fidianana teny an-toerana ihany koa ny Sekreteram-panjakana Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana (SENVH) nijery ny fizotry ny fanokafana ny fandraisana ny vidin’ny trano tamin’ireo nisitraka izany.

Hisesy ny fitokanana ireo trano

Toerana maro manerana ny Nosy no nananganana ireto trano mora ireto. Raha tsiahivina dia amin’ny fomba telo no handoavana ny vidin’izany ary namoraina daholo izany. Misy ireo handoa avy hatrany ny rehetra ao anatin’ny 5 taona ary hanefa izany mivantana eny anivon’ny Tahirim-bolam-panjakana. Misy kosa ireo nisafidy ny handoa izany ao anatin’ny 10 na 15 taona. Fiaraha-miasa amin’ny banky isan-karazany kosa no hataon’izy ireo ao anatin’izany. Mandritra ireo fotoana ireo anefa dia efa hanomboka ihany koa ny fitokanana ireo trano. Hanomboka ihany koa ny fanolorana lakile ho an’ireo misitraka ny trano tsirairay. « Hatombontsika amin’ny volana septambra izany, any Nosy Be. Tohizana ao Morondava, Antsirabe, Imerintsiatosika ary faranana ao Toamasina ny fitokanana », hoy Gerard Andriamanohisoa, avy ao amin’ny SENVH. Nanamafy ity farany fa voatazona ny fanamby napetraka amin’ny fanaovana « vente-location » ny trano. Misy hatrany ihany koa ny tantsoroky ny eo anivon’ny ANALOGH hanamorana ny fepetra fandoavam-bola arakaraky ny sokajin-tokatrano tsirairay.

Fananganana « maison communautaire »

Ankoatra ireo fananganana trano mora izay mbola hitohy amin’ny faritra hafa. Mbola andraikitry ny SENVH ihany koa ny fananganana ireo trano nentim-paharazana mahatanty rivo-doza. Ireo toerana tena handalovan’ny rivo-doza matetika no tena hananganana izany. Amin’izao fotoana izao dia efa ahitana izany ny ao Fenoarivo Atsinanana, Nosy Varika, Ambila, Vatomandry, Mahanoro sy ny maro hafa. Efa maro ireo hotokanana amin’iny toerana iny. Eo ihany koa ny eny amin’ny faritra Atsimo Atsinanana toa an’ny Manakara, Vohipeno ary Farafangana. Nohatsaraina izy ireo ary efa maherin’ny 150 ireo ho atolotra amin’ity taona ity. Raha tsiahivina dia trano natao handraisana ireo traboina rehefa fotoan’ny rivo-doza sy hitahirizana fanafody ary fitaovana samihafa ireo trano ireo.

Lire la suite

Articles Similaires