• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Grand Pavois Mahajanga : 2.000 Ar ny kisarisary amin’ny moina, 10.000 Ar ny miotra…

28/08/2024 15:02 © Moov.Mg

Moron-dranomasina tsy lavitra ny tanàna ary mahasarika ireo mpiala sasatra any Mahajanga, ny moron-tsiraka Grand Pavois. Toerana fitadiavam-bola ihany koa izy, ho an’ireo tompon-tany, manararaotra ny fahamaroan’ireo mpitsidika, mba hampidirana vola bebe kokoa noho ny mahazatra.

Tongan’ny fiara fitateram-bahoaka

10 km miala ny tanàn-dehiben’i Mahajanga no misy ny Grand Pavois. Ankoatra ny tuk-tuk, fitaovam-pitaterana isan’ny mampalaza an’i Mahajanga, dia tongan’ny fiara fitateram-bahoaka ihany koa eny amin’ity moron-tsiraka ity. Mifanaretsaka ny mpiala sasatra eny an-toerana, nanomboka ny tapaky ny volana jolay hatramin’izao faramparan’ny volana aogositra izao. Fotoana ihany koa izao, anararaotan’ireo tompon-tany amin’ny fitadiavam-bola. Mifanaretsaka eny an-toerana ihany koa mantsy ireo mpivarotra hani-masaka isan-karazany, toy ny mofo mangahazo, ny mofo makamba (beignet de crevette), ny mofo voanio, ny trondro voaendy… Eo ihany koa ireo mpampanofa « bouée », lakana… Fa isan’ny tena mahasarika ny maro ny miotra, ny mirandrana ary ny manao kisarisary amin’ny tarehy sy amin’ny faritra hafa amin’ny vatana.

Hery ho an’ny toekarena

Raha ho an’ny tongotra fotsiny dia 5.000 Ar ny miotra, 10.000 Ar kosa ho an’ny vatana manontolo. Raha hirandrana iray dia manodidina ny 5.000 Ar isaky ny tovana ampiarahana amin’ny randrana, no sarany. Ho an’ny kisary indray, raha ho an’ny tarehy dia 2.000 Ar no manao azy, ary masonjoany no akora ampiasaina. Ho an’ny faritra hafa amin’ny vatana kosa, toy ny tanana, tongotra, hatoka… dia ny moina no akora anaovana ny sary. Arakaraky ny habeny ny sarany, fa manomboka amin’ny 2.000 Ar izany. Na karazana asa an-tselika ihany aza izy itony, dia isan’ny mampihodina ny toekarena ao Mahajanga ny tolotra tahaka izao. Fianakaviana maro rahateo no mivelona amin’ny asa madinidinika eny amoron-dranomasina eny. Ankoatra izay dia mitondra hery ho an’ny sehatry ny fizahan-tany ny tolotra mampiavaka ny morontsiraka, tahaka izao hita eny amin’ny Grand Pavois izao.

Lire la suite

Articles Similaires