• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © France Info
Image
Vaovao

Faritra Fitovinany : Manankarena voly fanondrana, tsy ampy ny milina afaka manodina azy

28/08/2024 14:38 © Moov

Nanambara ny Governoran’ny faritra Fitovinany fa manankarena voly fanondrana izy ireo. Raha tsy hiresaka afatsy ny lavanila fotsiny dia ny lavanila ao Fitovinany no manana ny tahana « vanilline » ambony indrindra eto Madagasikara, izany hoe anisan’ny kalitao tsara. Manao antso avo kosa ny tenany amin’ireo mpandraharaha afaka ny hanodina ireo vokatra ireo.

Mba ho afaka manondrana mivantana

Nanamarika ity Governora ity fa antony goavana no hikarohana’izy ireo mpandraharaha afaka manodina ny vokatra ao an-toerana. Ao anatin’izany sady voalohany indrindra ny mba hahafahana manondrana mivantana ny vokatra ary ho tombontsoan’ireo mponina. « Manana lavanila tsara hatrany izahay. Raha nohamarinina tao anaty laboratoara dia nahatratra 2.2% hatramin’ny 8% ny tahan’ny « vanilline » anay ary 25cm ny halavany. Tsy afaka manondrana anefa izahay ary tsy maintsy mandefa izany any SAVA hatrany ka tsy tena misitraka ny tombony ny tantsaha », hoy ity Governoran’ny faritra Fitovinany, Razafitsotra Laurel, ity. Efa andalam-panamboarana rahateo ny seranan-tsambo kely hahafahana mandefa ny vokatra isan-karazany avy hatrany amin’ireo firenena izay mila izany. Hananan’ity faritra ity ny voly fanondrana izay anisan’ny mampiavaka an’ny Madagasikara toa ny lavanila, jirofo, kafe ary ny litchis.

Miandry mpandraharaha

Manana harena ara-olona ihany koa ity faritra ity, indrindra fa ny tanora. Raha ny fanazavana, hatreto mbola tsy mahaliana azy ireo ny hanangana orinasa mpanodina vokatry ny tany. Araka izany, tsy maintsy miandry ireo mpandraharaha ihany izany ireo voly ireo. « Manao antso avo amin’ny mpandraharaha mba hahafahan’ny mponina eny ifotony mampandroso ny velon-tenany. Hahafahan’izy ireo mahazo tombontsoa manokana », hoy hatrany ity Governora ity. Nanamafy hatrany ny tenany fa faritra manana vokatra saingy tsy manana ny hahafahana manodina izany. Marihina fa hanatanteraka ny « festival du litchis » izy ireo any amin’ny volana novambra any. Tanjona amin’izany ny hahafahana miantso ireo mpandraharaha vonona hanangana orinasa. Ao anatin’izany ihany koa ny vinavina ny hanondranana « litchis » voalohany indrindra avy ao Fitovinany.

Lire la suite

Articles Similaires