• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

Antsiranana - FOARA MEVA 2024, fanandratana ny Vita Malagasy

28/08/2024 14:29 © Moov

Mandray ny hetsika ara-barotra Foara Meva ny ao Antsiranana, ny 27 hatramin’ny 30 aogositra 2024.

Anisan'ny tanjon'ny Ministeran'ny Varotra sy ny Indostria ny fanohanana ireo mpandraharaha Malagasy, manodina ny vokatra avy eto an-toerana. Izany indrindra no antom-pisian'ireo hetsika ara-barotra isan-karazany manerana ny Nosy. Tanteraka omaly Talata 27 aogositra 2024 ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialin’ity hetsika ara-toekarena izay karakarakain’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) Diana sy ny Federasion’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria eto Madagasikara (FCCIM) ity. Tombontsoa lehibe ho an’ny faritra ny fisian’ny hetsika toy izao, hanehoana ny traikefan’ireo mpandraharaha isam-paritra sy ny mampiavaka ny faritra tsirairary ary indrindra ihany koa ho fampandrosoana ifotony. Miisa 100 moa ireo trano heva ao Antsiranana.

Fanandratana ny vokatra Vita Malagasy

Hampirantiana eo amin’ny tranohevan’ny MIC ireo vokatra ODOF (One District One Factory) toy ny divay, chips, paty, menaka, vovoka kakao sy ny maro hafa. Marobe ihany koa ireo vokatra hafa azo jifaina, atolotr'ireo mpandraharaha ao amin'ny faritra Diana : tantely, sakay, voankazo voahodina, hanitra, asa tanana, sns. Afaka manjifa ireo vokatra vita Malagasy ny mponin'Antsiranana rehetra, sy ireo mpivahiny na mpialasasatra any an-toerana. Anisan'ny fanohanana ireo mpandraharaha malagasy ny fividianana ny vokatra atolotr'izy ireo. Tsy mena mitaha amin'ireo vokatra atolotry ny avy any ivelany mantsy ireo vokatra vokarina avy eto an-toerana. Mampiavaka ireo vokatra Malagasy ny fampiasana akora natoraly, sy ny famerana ny akora simika.
Fotoana iray hampivondronana mpandraharaha sy mpiara-miombona antoka maro ny Foara toy izao, hisokafana amina tsena vaovao ary hampivoatra ny fandraharahana. Maro ireo mpandraharaha na mpamokatra te hamatsy ny tsena eto an-toerana sy any ivelany. Misokatra ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombona antoka vahiny toy ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria ao amin’ny Nosy La Réunion izay vonona hanomboka avy hatrany ny fiaraha-miasa. Manohana ny Foara Meva 2024 moa ny orinasa Telma.

Lire la suite

Articles Similaires