• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fanampiana ny mpiara-belona : Olona manana fahasembanana 70 isa, tohanan’ny Fondation Axian

28/08/2024 13:10 © Moov.Mg

Manana fahasembanana ny 0,6%-n’ny Malagasy, araka ny antontan’isan’ny Fanisana Ankapobeny fahatelo momba ny Mponina sy ny Toeram-ponenana (RGPH-III). Misedra olana ara-toekarena sy ara-tsosialy mavesatra kokoa izy ireny, amin’ny ankapobeny, raha mitaha amin’ny olona tsy manana izany. Maro, noho izany, ireo miandrandra tohana avy amin’ny malala-tanana, mba hiatrehana ny fiainana.

Vola fanampiana isam-bolana

Raim-pianakaviana, manambady ary manana zanaka roa i Lanto. Manana fahasembanana ara-batana izy. Miasa ny vadiny, izy kosa « miasa eny anaty fitohanan’ny fiarakodia » eny. Izany no fomba fiteny nosafidiany, mba tsy hilazana mivantana fa mangataka eny an-dalam-be eny no amelomany ny ankohonany. Efa manambady moa ny iray amin’ireo naterany, fa mbola mianatra eny amin’ny Anjerimanontolo kosa ny iray. « Izay azoko no ampifanampiana amin’ny karaman’ny vadiko, iatrehana ny andavanandro », hoy i Lanto mitantara. Iray amin’ireo olona manana fahasembanana 70 isa, notsongain’ny Fondation Axian teny anivon’ny fiarahamonina, mba hisitraka ny fanampiana ataony isam-bolana i Lanto. Vola 6 alina ariary no raisin’ireo olona ireo isam-bolana, fa ho an’ny androany dia notolorana bodofotsy ihany koa izy ireo, noho ny andro izay tena mbola mamirifiry.

Tohana ho an’ny andavanandro

Notsongaina teny anivon’ny fiarahamonina, tamin’ny alalan’ny fidinana ifotony nataon’ny Fondation Axian, ireto olona nisitraka fanampiana ireto, araka ny nambaran-dRazakamanantsoa Jessica, tomponandraikitry ny fifandraisana amin'ny fiarahamonina (community relation manager) eo anivon’ny vondron’orinasa Axian. Natao hampiasain’izy ireo amin’ny andavanandrom-piainana, araka ny filàny avy, ny vola omena azy ireo isam-bolana : ny an’ny sasany hitsaboana tena, ny an’ny hafa handoavana hofan-trano, ao koa ireo mila izany vola izany, mba hahafahany mampianatra ny zanany. « Tsy araka intsony ny mamelon-janaka sady mandoa hofan-trano amin’izao. Na ireo olona mandray karama farany ambany isam-bolana aza, mbola tsy tafavoaka, mainka moa fa izahay. Zara aza, misy manome fanampiana toy izao », hoy i Lanto.
Efa telo taona moa izay no nanohanan’ny Fondation Axian ny olona manana fahasembanana. 23 isa izy ireo tany am-boalohany, fa tafakatra 70 ho an’ity taona ity.

Lire la suite

Articles Similaires