• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Kristianina Anglikanina
Image
Vaovao

Fiangonana Anglikanina : Handinihana ny fiainam-piangonana sy ny fiainana ivelany ny Synoda faha-16 ny Diosezin’Antananarivo

28/08/2024 11:59 © Moov

Fotoan-dehibe ho an’ny Eklesia Episkopaly Malagasy (EEM) na ny Fiangonana Anglikanina ny synoda lehibe. Tanterahina mandritra ny dimy andro eny amin’ny IFLA Iavoambony, Avaradrano ny Synoda faha-16 ho an’ny Diosezin’Antananarivo. Fiangonana mifanolo–tànana ho vavolombelon’ny fitiavana sy ny asa tsara ao amin’i Jesoa Kristy, ny foto-kevitra ny fihaonana.

Hidinika tondrozotra

Toy ny karazam-piangonana rehetra dia samy manana ny fomba hitondrany ny olony sy ny fiangonany ny tsirairay. Anisan’izany ny Fiangonana Anglikanina. Mpizaika hatramin’ny 350 no andrasana amin’ity Synoda ity. Tompon’andraikitra isaky ny fiangonana avy amin’ireo Diosezin’Antananarivo rehetra no andrasana amin’izany. « Hiaraka hidinika sy hanapakevitra ny tondrozotra hiainan’ny fiangonana mandritra ny dimy taona ireto mpizaika ireto. Etsy andaniny anefa dia azo atao ny manova azy io eny andalana eny araka ny fifanarahana mandritra ny fifampiresahana ihany », hoy ny Monseigneur Samoela Jaona Ranarivelo, Evekan’ny Eklesia Episkopaly Malagasy eto amin’ny Diosezin’Antananarivo. Anisan’ny fotoana iray hamaritra indray ny fiainan’ny fiangonana sy ny fomba hitondrana ny fampianarana araka izany ity fotoan-dehibe izay haharitra dimy andro ity. « Clergé » sy lahika samihafa no mandray anjara amin’ity fihaonana ity, raha ny fanazavana hatrany.

Sehatra ivelan’ny fiangonana

Ankoatra izany fiainam-piangonana izany dia tsy maintsy resahina ihany koa ny fiainana ivelan’ny fiangonana. Ao anatin’izany ohatra ny fiainana ara-politika, ny ara-tsosialy, ny ara-ekonomia sy ny maro hafa. Mifandray ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-piangonana hoy hatrany ity Eveka ity. Antony lehibe tsy maintsy hampidirana ireo sehatra ireo ao anatin’ny dinika. Naneho ny heviny indrindra mikasika ny fiainam-pirenena ity Eveka ity. « Ny fiangonana tsy miaina fotsiny amin’izao fa miaina anaty fiaraha-monina. Mandalo dingana samihafa ny fiainam-pirenena ka toy ny ataon’ny fiangonana rehetra dia miray hevitra amin’izany izahay. Mba ho mendrika antsika Malagasy ny fifidianana Ben’ny tanàna dia misy ny zavatra tokony hatsaraina. Tsy olon-tokana anefa izany fa ny olona rehetra no angatahina amin’izany », hoy hatrany ity Eveka ity. Ao anatin’izany fanatsarana izany ny toe-po sy ny toe-tsaina ary ny fomba fisainana. Nilaza ihany koa ny tenany fa manam-panahy sy manam-pahendrena ny Malagasy ka enga anie mba handeha am-pahamarinana ny zavatra rehetra, hoy izy namarana.

Lire la suite

Articles Similaires