• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Fampiofanana : Tanora miisa 50 manaraka fiofanana momba ny « sérigraphie sy impression sur tissu »

28/08/2024 10:23 © Moov

Natomboka omaly ny fampiofanana momba ny tontolon’ny « sérigraphie » izay nokarakarain’ny Ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa. Tanora miisa 50 no mandray anjara amin’izany tamin’ity andiany voalohany ity. Haharitra sivy volana ny fiofanana ary ho matihanina ireo mpiofana rehefa mivoaka ao.

Hahazo asa

Aorian’ny fiofanana izay hotanterahina dia hanaraka fizaran’asa eny amin’ireny toerana fanaovana sérigraphie sy impression sur tissu na ireo mpanao akanjo sy mpametaka sary sy soratra amin’izany ireny ireo mpiofana. Fiaraha-miasa amin’ny Ministera avokoa ny hanomezana ireo orinasa hahafahan’izy ireo manao fizaran’asa io. « Tsy maintsy arahina hatramin’ny farany ny tanora. Raisina ho laharam-pahamehana ny fifanarahana amin’ireny orinasa ireny mba handraisan’izy ireo ny tanora hiasa avy hatrany ao amin’izy ireo rehefa vita ny fizaran’asa », hoy ny Minisitra, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Laharam-pahamehan’ny fanjakana ny fanomezana asa ny tanora ka anisan’ny ezaky ny Minisitera izany. Mizara telo ny asa ho an’ireo izay hahavita fiofanana. Ao anatin’izany ny « agent de maintenance du système d’impression », ny « opérateur PAO » ary ny « sérigraphe et imprimeur sur tissu ». Ho matihanina sy manara-dalana araka izany ireto tanora ireto rehefa mivoaka aorian’io fiofanana io.

Mbola malalaka ny sehatra

Anisan’ny sehatra iray mbola azo lazaina ho malalaka ity sehatry ny fanamboarana akanjo sy fanaovana sary eo amboniny ity. Ny tanora no tena matetika misehatra amin’izany ary mpandraharaha madinika no hisokajiana azy ireo. Amin’ny ankapobeny dia mbola tsy dia betsaka ny manaraka ny lalàna sy ny rafitra amin’ity asa ity. Izany no anton’ny fampiofanana mba hahafahan’izy ireo miova ho matihanina amin’io sehatra io sy manaraka ny lalànan’ny asa. Fanambin’ny fitondram-panjakana ny hametraka ny tanora ho antoky ny fampandrosoana. Anisan’ny fomba iray hahafahana manatratra izany ny fanomezana fampiofanana tahaka izao. Tsara ny manamarika fa fanampiana avy amin’ny UNESCO ity fampiofanana ity. Manana vinavina ny hanaparitaka ity karazana fampiofanana ity manerana ny Nosy ny Minisitera.

Lire la suite

Articles Similaires