• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Sehatry ny angovo : Atrikasa handrindrana ny fifehezana ny vidin’ny herinaratra

28/08/2024 09:06 © Moov

Mbola maro ny ezaka mila tratrarina amin’ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara. Anisan’ny olana ny vidin’io herinaratra io. Araka izany, manatanteraka atrikasa sy fiofanana momba ny vidin’ny herinaratra ireo Tompon’andraikitra ao amin’ny Ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo mandritra ny dimy andro izay hifarana ny zoma izao.

Hamolavola didim-panjakana

Tanjon’ity fihaonana ity ny hametrahana lalàna sy rafitra mifehy ny vidin’ny herinaratra eto Madagasikara. Anisan’ny dingana arahina ho fanatsarana ity sehatra ity io. Lahadinika rahateo ny famolavolana ny didim-panjakana handrindra sy hifehy ny vidin’ny herinaratra eto Madagasikara. Marihina fa mbola mampimenimenina ny mpanjifa hatrany amin’izao fotoana izao ny vidin-jiro ka izay no anton’izao atrikasa izao mba hikaroham-bahaolana. Efa ela no namolavolana ireo hevitra handrafitra ny didim-panjakana ary hatolotra ireo mpisehatra rehetra amin’ny famokarana angovo. Mandray anjara ny teknisianina eo anivon’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), ary ireo rantsamangaika : Office de régulation de l’électricité (ORE), JIRAMA ary Agence de développement de l’électrification rurale (ADER). Ho an'ny andro voalohany ohatra dia niompana tamin'ny fampidirana ny fitsipika sy foto-kevitra ara-toekarena ho famaritana ny vidin'ny herinaratra ny atrikasa.

Fampiofanana

Aorian’io famolavolana didim-panjakana io dia efa miomana amin’ny fiofanana samihafa ihany koa ireo mpandray anjara. Miditra kokoa amin’ny lafiny teknika izany. Ao anatin’izany ny fanazarana ireo tompon’andraikitra ireo amin’io fanitsiana sy fanamboarana momba ny vidina herinaratra io. Tanjona amin’izany ny hahaizan’izy ireo mampihatra ny fomba fikaotiana ny herinaratra vaovao izay mety ho voarafitra ao anatin’io didim-panjakana vaovao io. Fanazarana azy ireo ihany koa ny momba ireo tarehimarika vaovao mety ho hitany.
Ankoatra ny firosoana amin’ny fanamarinana io vidina herinaratra io dia anisan’ny vahaolana horesahina ihany koa ny angovo azo havaozina. Etsy andaniny anefa dia tsy maintsy hapetraka ihany koa ny vidina herinaratra ao amin’io fampiasana angovo azo havaozina io. Izany rehetra izany mba ho tombontsoan’ny daholobe.

Lire la suite

Articles Similaires