• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Andrandraina ny 100 tapitrisa dolara avy amin’ny tahiry manerantany ho an’ny tontolo iainana ho an’ny 2026 – 2030

27/08/2024 16:40 © Moov

Eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny delegasiona avy amin’ny tahiry maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (Fonds pour l'Environnement Mondial FEM). Ny Filoha Tale Jeneraliny, Carlos Manuel Rodríguez no nitarika izany izay nihaona tamin’ny Filohan’ny Repoblika androany. Raha ny tatitry ny resaka nifanaovana dia heverina ny hahazoana 100 tapitrisa dolara ny anjaran'i Madagasikara amin'ny fandaharan'asan'ny FEM ho an'ny taona 2026 - 2030.

Tetikasa ho an’ny 2026 – 2030

Zava-dehibe ho an’ny Madagasikara izao fahatongavan’ity Tompon’andraikitra lehibe ity eto amintsika. Sady voalohany teo amin’ny tantara izany. Ezahina araka izany ny hahazoana io lelavola 100 tapitrisa dolara io ho antsika eto Madagasikara. Maro ireo tetikasa nifampiresahan’ity Filoha Tale Jeneralin’ny FEM ity tamin’ny Filoham-pirenena ka azo antoka ny hahazoana io lelavola io, hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana lovain-jafy. « Noresahina tao ny mikasika ny eco-tourisme satria isika manankarena harena voajanahary izay afaka hampiroborobo ny fizahantany. Tao ihany koa ny fitaovam-pitaterana miaro ny tontolo iainana « mobilité électrique » ary ny fambolena manodidina ny faritra arovana. Sehatra lehibe izay samy hananantsika tetikasa avokoa ary hanampy antsika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana », hoy hatrany ny Minisitra, Max Fontaine Andonirina. Tafiditra ao anatin’ny andiany fahasivy amin’ny FEM ity angatahana 100 tapitrisa dolara ity ary ireo tetikasa vaovao ho tanterahina ao anatin’ny 4 taona manaraka io no hiompanana amin’izany.

200 tapitrisa dolara

Ny tetikasa maneran-tany ho an’ny tontolo iainana no ampian’ity tahiry iraisampirenena ity ara-bola raha tsiahivina. Isika eto Madagasikara, efa 30 taona izay no nisitraka izany. Tao anatin’izay fotoana lava be izay dia efa 200 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola azontsika. Zava-dehibe ny fiaraha-miasantsika amin’ny FEM hatramin’izay hoy ny Minisitra. Tsara ny mampatsiahy fa izy ireo no mpamatsy vola ny ankamaroan’ny faritra arovana eto Madagasikara. Marihina ihany koa fa FEM miisa valo izany izay no efa nandalo teto Madagasikara izay mizara ho isaky ny efatra taona. Efa maro ireo tetikasa notanterahina tao anatin’izay fotoana izay saingy mbola maro ihany koa ny ezaka mbola mila atao.

Lire la suite

Articles Similaires