• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Antananarivo : Ny tsy fitandremana no tena antony mahatonga ny fahamaizana hoy ny avy ao amin’ny Mpamonjy Voina

27/08/2024 14:11 © Moov

Vanim-potoana mampirongatra ny trangana fahamaizana ny fotoana toy izao. Tao anatin’ny herinandro, izany hoe ny 19 hatramin’ny 25 aogositra lasa teo izao dia niisa 3 ny tranga doro tanety, 4 kosa ny ny hai-trano. Nanambara ny Vondrona mpamonjy voina fa ny tsy fitandremana no tena antony mampirongatra izany amin’izao fotoana izao.

Antony kely mitambatambatra

Amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavan’ny Vondrona mpamonjy voina ihany dia zavatra kely ao an-tokantrano sy eny amin’ny fiaraha-monina eny no tena antony mahatonga ny fahamaizana. Ny ankamaroany kosa anefa nohon'ny tandrevaka sy ny tsy fitandremana. Tafiditra ao anatin’izany, hoy ny mpamonjy voina ny fanadinoana mamono afon’ny fatapera, afon’ny fatana gaz, manatsoaka ny fera fipasohana raha ho an’ny hain-trano manokana. Nomarihin’ny Mpamonjy voina manokana fa lasibatry ny hain-trano ny trano hazo mifanakaikaiky ka tokony hanatonana ny Kaominina hatrany alohan’ny hanorenana trano.
Ny doro tanety kosa dia teraka noho ny fiovaovan’ny toetry ny andro. Ny rivotra be loatra no tena antony voalohany, hoy ny mpamonjy voina. Tsy adino ihany koa anefa ny mpanao ankasoparana sy ny mpanary bôrika sigara eny rehetra eny. Araka izany, ny fihetsiky ny tsirairay no mametra ny fihenan’io fahamaizana io.

Mila hizàrana ny toetra hananana

Toetra tokony efa mahazatra ny mponina an-tanan-dehibe ny ady amin’izany fahamaizana trano izany. Matetika mantsy rehefa misy fahamaizana dia tsy mijanona amin’ny trano iray irery fotsiny izany. Araka izany, ilaina fahazarana ny toetra tokony hananana mialohan’ny hivoahana ny trano. Mampatsiahy araka izany ny Vondrona mpamonjy voina fa tsara raha tapahina ny herinaratra alohan’ny hivoahana ny trano. Etsy andaniny dia tsy tokony avela irery ao an-trano ny zaza sy ny olona manana fahasembanana ary ireo be antitra. Anisan’ny fihetsika tsara angatahina amin’ny mponina rahateo ihany koa ny fiantsoana ny Vondrona Mpamonjy Voina vantany vao misy hai-trano. Ilaina izany mba tsy hahatara ny famonjena ireo traboina. Tsara ny mampatsiahy fa efa samy misy tobin’ny mpamonjy voina avokoa ireo boriborintany dimy eto Antananarivo ary efa eo andalam-panomanana ny faha-enina amin’izao.

Lire la suite

Articles Similaires