• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Min De La Population Et Des Solidarités
Image
Vaovao

Miralenta : Manana fotoana malalaka ny Fitondram-panjakana hampitomboana ny vehivavy Tompon’andraikitra

26/08/2024 15:56 © Moov

Efa manomboka ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny fampanjakana ny miralenta. Mbola manana fotoana malalaka i Madagasikara hampitomboana ny vehivavy mandray andraikitra manerana ny Nosy. Folo taona hatreto no napetraka nandritra ny atrikasa izay notanterahin’ny Ministeran’ny mponina sy ny firaisan-kina izay notarihin’ny Minisitra vaovao, Razafinjato Aurélie.

Mila omena vahana ny vehivavy

Amin’izao fotoana izao, ary maneran-tany dia ny vehivavy hatrany no betsaka noho ny lehilahy. Eto Madagasikara dia efa ny antsasa-manilan’ny mponina dia vehivavy avokoa izany hoe 51%. Araka izany, tokony omena vahana ireo 51% ireo hanamorana ny fampiroboroboana ara-toekarena. « Etsy andaniny anefa maro ireo sakana tsy hahafahan’ny vehivavy mandray andraikitra. Ao anatin’izany ny fomba fisaina sy ny fomba amam-panao, ny tsindry avy amin’ny mpiarabelona ary ihany koa ny tahotra ny hiroso amin’ny fiainana », hoy ny Minisitra Razafinjato Aurélie. Mbola ezaka maro ny atao hahafahana manatratra io tanjona io, izany hoe mampandray andraikitra ny vehivavy rehetra. Ao anatin’izany ohatra ny tan-tsoroka sy ny tohana samihafa hahatongavan-tsain’ireo vehivavy ireo. Marihina anefa fa efa ezaka lehibe no nataon’ny Madagasikara nandritra ny fanendrena governemanta ny herinandro lasa teo. Nahitana ny miralenta izany izay 50% lehilahy ary 50% vehivavy tao anatin’ireo voatendry.

Mbola manana olana ny vehivavy

Ankoatra ireo olana sy sakana maro eo amin’ny sosialin’ny vehivavy ka tsy mampandroso azy ireo ; mbola ratsy ihany koa ny antontan’isa izay antony mahatonga ny vehivavy Malagasy mbola taraiky. Raha ny antontan’isa dia ny 28% ny vehivavy saika tsy mahay mamaky teny sy manoratra avokoa raha 25% izany amin’ny lehilahy. Ny 46% ny vehivavy dia manambady alohan’ny 18 taona ary 39% ny vehivavy eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 19 taona efa mitaiza kely. Ny 28% ny vehivavy kosa dia iharan’ny herisetra. Izany rehetra izany dia mampiseho avokoa fa mbola maro ny ezaka mila atao hampanjakana ny miralenta. Anisan’ny sakana avokoa mantsy ireo ho an’ny ankamaroan’ny vehivavy. « Tsy tokony mpanatanteraka fotsiny ny vehivavy fa tokony hatao hakana hevitra ihany koa », hoy ny Minisitra namarana.

Lire la suite

Articles Similaires