• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les Infos De L'Université D'Antananarivo
Image
Vaovao

Fampianarana Ambony : Mivoaka ny "Résultat Bac 2024" ho an'Antananarivo

23/08/2024 06:49 © Moov

Efa azo jerena amin'ny SMS (601) ny valim-panadinana bakalorea ho an'ny faritanin'Antananarivo.

Nivoaka vao maraimbe androany zoma 23 aogositra ny Résultat Bac 2024 Antananarivo. Ny fandefasana SMS aloha hatreto no fomba hahitana haingana ny vokatra. Alefa amin'ny 601 ny ny numéro d'inscription. 900 ariary no saran'ny SMS iray. Tokony ho hita ao amin'ny tranokalan'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ihany koa ny vokatra. Samy hametraka afisy ihany koa ireo foibem-panadinana tsirairay, eto Antananarivo Renivohitra sy ny Manodidina. Efa nivoaka ihany koa ny voka-panadinana ho an'i Toliara, ao amin'ny Lycée Laurent Botokeky.

Nidina ny taham-pahafahana

56% ny taham-pahafahana ho an'ny faritanin'Antananarivo, raha ny nambaran'ireo nandray anjara tamin'ny "déliberation" omaly teny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Nidina izany vokatra izany satria maherin'ny 57% tamin'ny taona lasa. Tamin'ity session 2024 ity, 54% teo ho eo ny vokatra ho an'ny sokajy ankapobeny ary maherin'ny 70% ho an'ny fampianarana teknika. 9,75/20 moa no naoty farany ambany nanafahana ireo mpiadina.
Ireto àry ny taham-pahafahana isan-tsokajy :
Série A1 :45%
Série A2 : 48%
Série C : 62%
Série D : 61%
Série OSE : 68%

Vokatra manerana ny Nosy

Tokony hivoaka amin'ity faran'ity herinandro ity ny voka-panadinana Bakalorea manerana ny Nosy. Ho an'i Toamasina, ny tolakandro amin'ny 3 ora no hanatanterahana ny "délibération", ao amin'ny CEG Ratsimilaho. Antenaina izany fa hivoaka rahariva na rahalina ny vokatra. Efa samy namoaka ny azy ihany koa i Fianarantsoa, i Toliara, i Mahajanga ary i Antsiranana. Ny an'ny faritra Vakinankaratra izany sisa no tena andrasana.

Lire la suite

Articles Similaires