• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Robotika : Laharana faharoa i Madagasikara tamin'ny fifaninana tany Sénégal

08/08/2024 12:00 © Moov

"Vice-Championne d'Afrique" tamin'ny fifaninanana Concours Panafricain de Robotique (PARC 2024), tamin'ny alalan'ny fandraisan'ny ekipa Robotika anjara, tany Dakar Sénégal.

Tsara ny vokatra ho an'ireo siantifika malagasy mivondrona ao amin'ny Robotika. Laharana faharoa tamin'ny 95 mpandray anjara mantsy izy ireo. Samy mbola mpianatra avokoa ireo mpifaninana malagasy, nefa ny ankabeazan'ireo tafakatra tamin'ny dingana famaranana dia efa matihanina avokoa. "Robot" misehatra amin'ny fambolena no nanaovana "programmation" tamin'izany. Efa tafaverina eto an-tanindrazana avokoa moa ireo nisolo tena an'i Madagasikara. Ny fitondrampanjakana, tamin'ny alalan'ny MNDPT, no nanolotra ny tapakilan'ny fiaramanidina nandehanan'izy ireo. Nisitraka loka miavaka ihany koa ireo mpandresy, dia ny Connexion internet sy ny sarampianarana herintaona. Tsara ny manamarika fa anisan'ny nanohana ny Robotiko ny Telma sy ny Axian Univesity ary ny Ecole 42.

Fampiroboroboana ny tontolo siantifika

Manampahaizana ny tanora malagasy. Tena ilaina tokoa ireo taranja siantifika rantovina any am-pianarana fa tsy natao hamenoana kahie sy hahafahana fanadinana fotsiny akory. Ny "programmation robot" izay notanterahin'ny Robotiko ohatra dia nilàna ny "théories" isankarazany amin'ny taranja "Mathématiques". Efa misy ny vondrona manohana sy manofana ireo tanoraliana amin'ny robotika, toy ny STEM4Good. Tsy ny tovolahy ihany no manana hoavy mamiratra amin'izany, fa efa maro ihany koa ireo tovovavy izay tena mankafy ny fikarohana siantifika.
Noho izao fandresena goavana izao, nahazo fanasana hanatrika ny "4th International Conference on Robotics and Artificial Intelligence" any Dubai ny Robotiko, ny 18 sy 19 novambra ho avy izao.

Lire la suite

Articles Similaires