• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fanatsarana fotodrafitrasa : Mandray anjara amin’ny Fihaonambe manerantany momba ny lalana i Madagasikara

18/10/2024 16:34 © Moov

Tanterahina any Turquie nanomboka ny talata 15 oktobra teo ny Fihaonambe manerantany momba ny lalana andiany faha-28. Nandray anjara mavitrika amin’izany ny Minisitry ny asa vaventy, Rafidison Richard Théodore. Hifarana amin’ity anio ity ny fivoriana lehibe izay karakarain’ny Federasiona Iraisampirenena ho an’ny lalana.

Fiaraha-miasa vaovao miaraka amin’ny Turquie

Hantenaina ny hisian’ny fiaraha-miasa vaovao. Raha ny fanazavana tao amin’ny Pejin’ny Ministera mantsy dia nandray anjara tamin’ny fitenenana ny Minisitra. Nandritra izany no nanazavany ny paikady sy ireo asa tanterahina eto Madagasikara mahakasika ny lalana sy ireo lohahevitra maro ireo. Niresaka mikasika ny tetikasa lalambe migodana ihany koa izy nandritra ny fihaonany manokana tamin'ny Minisitra « turque » misahana ny lalana, Andriamatoa Abdulkadir Uraloğlu. Ity farany izay naneho fahavononana hifanome tanana sy hifampizara traikefa mahakasika an’izany. Vonona ihany koa ireo mpampiasa vola ao Turquie, anisan’izany ny « Groupe ASER », izay mikasa ny hanamboatra ny ampahan’ny lalam-pirenena fahafito (RN7), mampitohy an’Antananarivo sy Toliara. Anisan’ny vokatra azo tsapain-tanana manokana ho an’ny Madagasikara izany, nandritra ity fihaonambe ity. Raha tsiahivina mantsy dia mbola betsaka ireo lalana mila fanamboarana sy fanavaozana eto Madagasikara.

Mpamatsy vola isan-karazany

Anisan’ireo Minisitra maherin’ny roapolo (20) misahana ny lalana sy fitaterana mandray anjara amin’ity fihaonambe faha 28 ity ny minisitra avy eto Madagasikara. Ankoatra ireo minisitra anefa dia eo ihany koa ireo mpamatsy vola iraisam-pirenana maro toy ny Eximbank avy ao Chine, ny Banky Iraisampirenena, ny « Banque Européenne d’Investissement », sy ireo maro hafa. Lohahevitra maro no noresahana nandritra ny andro vitsivitsy, toy ny faharetan’ny lalana manolona ny fiovaovan’ny toetrandro, ny arolozan’ny fifamoivoizana. Indrindra indrindra ny mikasika ny fampiasana ireo fiara elektrika izay efa manomboka mahazo vahana amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires