• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mndpt
Image
Vaovao

Internet : Ho jifaina amin'ny sarany 49 000 ariary ny Fibre Optique

18/10/2024 18:00 © Moov

Tsy ho ela dia hisy Tambazotra iray hanolotra Internet amin'ny sarany mora kokoa, ka 49 000 ariary isam-bolana ny Fibre Optique.

Ny ankamaroan'ny Malagasy dia efa mampiasa ny fitaovana entin'ny teknolojia avolenta avokoa. Voakasika avokoa ny sokajin-taona rehetra. Tsy afa-misaraka amin'ny fampiasana ireny fitaovana ireny nefa ny "Internet". Androany 18 oktobra no nanambaran'ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisandavitra, Stéphanie Delmotte, fa hidina ny vidin'ny Internet eto Madagasikara.

Internet mora indrindra eto Afrika

10 euros eo ho eo na 49 000 ariary no aloha isam-bolana dia efa afaka misitraka Fibre Optique. Hisy tsy ho ela araka izany ny fampahafantarana io tolotra io. Manaja ny fetram-bidy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena izany. Nisy moa ny fifampiraharahan'ny Fanjakana Malagasy tamin'ireo Tambazotra eto Madagasikara, ka ny iray amin'izy ireo no namaly ny hetaheta mikasika ny fampidinana ny saran'ny Internet. Antenaina fa hitondra fivoarana ho an'ny tsirairay izao fanalalahana ny fahafaha-misitraka ny Internet izao. Tsy ny tambazotran-tserasera sosialy ihany mantsy no azo sitrahina amin'ny alalan'izany fa eo ihany koa ireo tranokala mahaliana isan-karazany azo anaovana fikarohana amin'ny fotoana rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires