• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Se En Charge De La Souveraineté Alimentaire
Image
Vaovao

Fiaraha-miasa iraisampirenena : Mampiasa vola hatramin’ny 480 tapitrisa Euros eto ny Allemagne

18/10/2024 14:28 © Moov

Nankalazaina omaly ny « Journée de l'unité Allemande » na ny fampikambanana tamin’ny fomba ofisialy firenena tandrefana sy tatsinanana. Nankalaza izany ihany koa i Madagasikara tetsy amin’ny Masoivohon’ny Allemagne tetsy Ambatoroka. Nandritra izany no nanambarana sy nanazavana ny fifandraisana misy eo amin’ny roa tonta. Mpampiasa vola anisan’ny lehibe indrindra eto Madagasikara ny Allemagne ary ny hitohizan’izany fiaraha-miasa izany no nivoitra nandritra io fankalazana io.

Miasa amin’ny sehatra maro

Ao anatin’ireo rafitra isan’ny mitondra fampivoarana eto Madagasikara ny firenena Alemana. Amin’ny ankapobeny dia miasa amin’ny sehatra isan-karazany sy maro samihafa izy ireo. Raha ny fanambarana izay nataon’i Masoivohon’i Alemana miasa sy monina eto amintsika, Olivier Knoerich, dia vola mitentina maherin’ny 2 miliara ariary no vatsian’izy ireo eto amin’ity firenena ity. Entina miasa amina sehatra maro izany, ao anatin’izany ny fahasalamana, fampianarana, fanadiovana, fambolena sy ny maro hafa. Teo anatrehan’izany moa dia nanambara ny mbola ilaina ny fitohizan’ny fiaraha-miasa haharitra ny Minisitry ny raharaham-bahiny, izay nanatrika io fankalazana io. Ankoatra io fampiasam-bola io anefa dia miasa mivantana amina karazana tetikasa maro samihafa ihany koa ity firenena ity. Samy nanamarika ny roa tonta fa mahay mifanohana i Allemagne sy i Madagasikara ary mbola samy maniry ny hitohizan’izany. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra ihany koa izany asa hiraisana rehetra izany.

Teny alemana

Ankoatra ireo tetikasa samihafa ireo ihany koa dia miroborobo eto Madagasikara ny fianarana ny teny alemana amin’izao fotoana izao. Raha ny antontan’isa tsotsotra farany dia miisa hatramin’ny 30 000 amin’izao fotoana ny tanora mianatra io fiteny io. Efa manomboka mahaliana ny tanora malagasy ihany koa ny mandrato fianarana na miasa any amin’izy ireo. Mbola mampiseho hatrany izany fa ho mafy orina ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta. Tsara ny manamarika fa efa ho 80 taona izao no nisian’ny fifandraisana teo amin’ny roa tonta.

Lire la suite

Articles Similaires