• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tm
Image
Vaovao

Famoronana asa : Tsy manana kolontsaina ara-pandraharaharana ny tanora malagasy

18/10/2024 15:45 © Moov.Mg

Manodidina ny 250 mahery ny isan’ireo orinasa lehibe mampiasa mpiasa betsaka eto Madagasikara. Vitsy ihany izany, raha jerena ny filàna eo amin’ny sehatry ny asa eto amintsika. Mbola mila mpandraharaha sy mpamorona orinasa maro i Madagasikara, saingy mipetraka ho olana eo amin’ireo tanora ny tsy fananana kolontsaina ara-pandraharaharana (Culture Entrepreneuriale).

Vitsy ny asa miforona

Raha atambatra ny isan’ireo orinasa miforona isan-taona eto Madagasikara, dia manodidina ny 20.000. Eo anelanelan’ny 1 500 hatramin’ny 2 000 amin’ireo no orinasa ara-barotra (société commercial). Ambany dia ambany io tahan'ny fananganana orinasa eto amintsika io, eo anatrehan’ny tahan’ny tsy fananana asa mendrika sy ara-dalàna, araka ny hevitry ny mpandraharaha, Rakotomanana Reivelt. Araka ny fanazavany, mahatratra 1 tapitrisa isan-taona ny isan’ny orinasa miforona any Frantsa. Mbola lavitra, araka izany, ny fanamby miandry an’i Madagasikara, eo amin'ny fananganana orinasa. “Vitsy loatra ny orinasa miforona eto Madagasikara, ka mitaky ezaka goavana avy amin'ny tanora te hiditra amin'ny fandraharahana ny fampitomboana ny orinasa eto amintsika », hoy ity mpandraharaha ity. Mitaky fananana kolontsaina ara-mpandraharaharana ihany koa izany.

Misy fenitra tokony arahina

Nisy, omaly 17 ôktôbra 2024, teny Antaninarenina, ny atrikasa momba izay kolontsaina ara-mpandraharaharana izay. Niara-nidinika, nandritra izany, ny ministera isan-tokony, ireo manam-pahaizana momba ny kolontsaina sy ny tantara, ny mpandraharaha vitsivitsy ary ny mpiara-miombon'antoka. Nifanome tanana tamin'ny famoronana antontan-kevitra, izay hanampy amin'ny fahatakarana tsara kokoa ny momba ny famoronana orinasa any amin'ny Faritra samihafa, ireo mpandray anjara ireo. Manan-danja amin'ny famoronana orinasa tokoa ny fananana kolontsaina ara-pandraharaharana, hahafahana mahalala ireo fenitra tokony arahina rehefa hanangana orinasa, raha ny fanazavan-dRakotomanana Reivelt. Nambarany ihany koa fa mila fanohanana ny mpandraharaha, eo amin'ny lafiny ara-pitantanana sy ara-pamatsiam-bola, mba hampahomby ny fandraharahana ataony. Ho fanampiana ireo mpandraharaha indrindra, no tanjon'ity atrikasa notanterahina omaly ity, izay nampihaonana ireo mpisehatra isan-tsokajiny, nanangonana ny hevitr'izy ireo mahakasika izany kolontsaina ara-pandraharaharana izany.

Lire la suite

Articles Similaires