• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Journal Des Archipels
Image
Vaovao

Romy Voos Andrianarisoa : Mbola meloka izy, hoy ny National Crime Agency

08/08/2024 07:53 © Moov

Namaly ny resak'i Romy Voos Andrianarisoa, talen'ny kabinetra teo anivon'ny fiadidiana ny Repoblika Malagasy teo aloha, ny National Crime Agency. Namoaka fanambarana ofisialy mifanandrify amin'izany ny Masoivoho Britanika eto Madagasikara.

« Mbola mitoetra ary tsy voafafa ny fanamelohana an’i Romy Andrianarisoa tamin’ny raharaha kolikoly ». Io no nasongadin’ny Masoivoho Britanika eto Antananarivo tamina fanambarana ofisialy. Izany moa dia nentina namaliana ny fanambaran’i Romy Andrianarisoa tamin’ny TV5 Monde fa afaka madiodio ny tenany ary tsy meloka intsony. Tsy nanambara mikasikany famotsoran-keloka mantsy ny National Crime Agency.

« Expulsion »

Azon’ireo voafonja vahiny atao ny mangataka ny famotsorana azy, rehefa nahavita sazy 12 volana. Anisan’ny fepetra isorohana ny fahafenoan’ny fonja izany. Ekena ny fangatahana raha tsy mikasika ny famonoana olona na fanolanana ny fanamelohana. Tsy midika akory ny fiovahana ny fonja fa afaka madiodio ilay voaheloka.

Vantany vao mivoaka ny fonja dia miala ny faritr’i Royaume-Uni, ary tsy mahazo miverina ao intsony na afaka 10 na 20 taona aza, raha tsy hoe misy didim-pitsarana indray mamafa ny mikasika ilay fanamelohana. Raha minia manitsaka ny faritr’izany firenena izany dia miverina any am-ponja avy hatrany.


Copyright Image : © BEA

Lire la suite

Articles Similaires