• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Famokarana : Nahatratra hatramin’ny 560 miliara dolara ny vola niditra tamin’ny jono

07/08/2024 15:40 © Moov

Tsara ny vokatra amin’ny jono eto Madagasikara nandritra ny fotoana naharitra. Raha ny tomban’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny jono sy ny toekarena manga dia hatramin’ny 560 miliara ariary ny vola nampidirin’ny jono ny taona 2022. Heverina hiakatra io isa io raha ho an’ny taona 2023. Mbola ao anatin’ny fikirakirana ny Ministera amin’izao fotoana izao raha ho an’io taona 2023 io.

Hifaninana amin’ny iraisam-pirenena

Anisan’ny sehatra iray efa afaka mifaninana amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tontolon’ny jono amin’izao fotoana izao raha io tatitra io. Etsy andaniny anefa ny Minisitry ny jono kosa dia mbola mahita lesoka amin’ny famokarana. Mbola maro hoy hatrany ny tenany ireo fanavaozana tokony hatao amin’io sehatra io. « Efa tsara foana io vokatra io isan-taona saingy mbola mila ezaka maro be hatrany izany. Tokony jerena izany na eo amin’ny lafiny kalitao mba hahafahana mifaninana tsara ary tsy ambakan’izany ihany koa habetsahan’ny vokatra tokony ho azo », hoy ny Minisitra Paubert Tsimanaoraty Mahatante. Tafiditra ao anatin’io vokatry ny jono io avokoa na ireo andranomasina na ireo andranomamy. Amin’izao fotoana izao manko dia efa ny 70% an’ireo firenena matanjaka no mandray sy manjifa ny vokatra avy eto. Raha tiana ny hitazona izany toerana izany sy hampiakatra azy dia mila hampiakarina io kalitao io.

Vokatra « bio »

Malaza eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’izao fotoana izao ny vokatra « biologique ». Iray amin’ireo kalitao takian’ny tsena iraisam-pirenena izany ka efa miditra tsikelikely amin’izany eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. « Izany no mahatonga ireny fiofanana maro isan-karazany manerana ny Nosy ireny na eo amin’ny lafiny fanjonoana izany na ny fiompiana trondro », hoy hatrany ny Minisitra. Andrasana amin’izany rehetra izany ny hampitomboana ny vola miditra izay heverina hampiakatra ny sandam-bola malagasy. Tsara ny manamarika fa amin’izao fotoana izao dia anisan’ireo firenena mpanondrana legioma, voankazo ary trondro betsaka indrindra i Madagasikara. Ireo vokatra « biologique » no tena manamarika antsika amin’izany ka tokony trandrahina io fahafahantsika io.

Lire la suite

Articles Similaires