• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Fahadiovana : Niakatra avo efatra heny ny tahan’ny fahazotoana manasa tanana any an-tsekoly

07/08/2024 15:02 © Moov

Nanao tombana ny asa vita tao anatin’ny roa taona momba ny fanasana tanana amin’ny rano sy ny savony ny Wateraid androany. Nandritra izany no nanambaran’izy ireo fa niakatra avo efatra heny ny tahan’ny fahazotoana manasa tanana eny an-tsekoly. Maro ireo ezaka natao mba hahafahana tonga amin’izany tanjona izany.

10% lasa 90%

Nanamarika ny avy ao amin’ny Wateraid fa nahomby ny ezaka notanterahina tamin’ity sehatra ity. Talohan’ny 2022 dia ambany ny tombana. Teo amin’ny 10% amin’ireo sekoly nanaovana ny asa no nampiditra ity fahaiza-manao ity. Amin’izao fotoana izao dia efa ny 90% izany, raha ny tatitry ny Wateraid hatrany. Ireo sekoly avy amin’ny ambaratonga fototra no nanatanterahana ny fikarohana. Miisa hatramin’ny 30 ireo sekoly ireo ary miparitaka amin’ny faritra miisa enina manerana ny Nosy. Nanamafy ny avy ao amin’ny Wateraid fa isan-karazany ireo ezaka natao tao anatin’izay roa taona izay tao anatin’io tetikasa io mba nahafahana nanatratra ireo tanjona ireo. Ity tetikasa ity ihany koa dia vatsian’ny JICA vola ka izany no nampitombo ireo ezaka izay natao.

Nampitomboina ny ezaka

Nampitombo ny ezaka rehetra ny Wateraid tao anatin’izay roa taona nanaovana ny tetikasa izay. Tafiditra tao anatin’izany ny famolavolana fitaovana sy fanentanana entina mampahafantatra sy mampianatra ny olona amin’ny resaka fanadiovana sy fidiovana eny anivon’ny sekoly. Voalohany indrindra tamin’ny sakana tsy nahafahana nanatratra ny tanjona ny tsy fahampian’ny fitaovana hanasana tanana sy ny famatsiana rano. Anisan’ny vaindohan-draharaha tao anatin’ity tetikasa ity araka izany ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa ireo. « Amin’izao fotoana izao dia azo lazaina ho tsy olana intsony ny famatsiana rano fa efa nisitraka izany avokoa ireo sekoly rehetra ireo. Anisan’ny nanampy tamin’ny fanatrarana ny tanjona rahateo izany », hoy ny tompon’andraikitry ny asa fikarohana eo anivon’ny Wateraid. Amin’izao fotoana izao dia efa manomana ny fitohizan’ny tetikasa mba hahafahana manentana ny Malagasy rehetra momba izany fitondran-tena izany izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires